réalités spirituelles (Elysé Azrael)
Pejy 4
-NY ZAZAVAVINDRANO SY NY FANAHY MANAMBADY OLONA: Ny zazavavindrano dia fanahy ratsy manambady olona, ary any anaty rano no fonenany. Tao Betafo Antsirabe dia nisy ramatoa iray natao hoe Razanety (Jeannette) izay antsoin'ny olona rehefa misy maty an-drano ao Antafofo sy Tatamarina ka tsy hitan'ny pompier ny fatiny. Dia hitanao izao Razanety miditra any anaty rano, ka indraindray roa andro any anaty rano mifampiraharaha amin'ireo zazavavindrano izy, vao miakatra an-tanety mitondra ilay faty! Ny Soratra Masina dia miresaka fa ny lanitra sy ny tany ary ny rano dia samy misy fonenan'ny demonia avokoa ("aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny @LANITRA ambony, na izay ety @TANY ambany, na izay any @RANO ambanin'ny tany. Eks 20:4). Fony izahay nandroaka devoly tamina tranon'ny mpanompo sampy iray dia gaga izahay fa nisy tavoahangy kely maromaro feno rano tao aminy, ary raha vao niasa izahay dia nikodia avokoa ireo tavoahangy ireo (rano hafahafa!). 
Hametraka hevitra
Midira aloha