réalités spirituelles (Elysé Azrael)
Pejy 2
-NY FEON'NY FIERITRERETANA: Mahagaga tokoa ny fisian'io feo io, izay indraindray mibitsika mangina, indraindray miteny mafy, ary hita fa tsy mitombina velively ilay hoe:"mamorona ny sainao". Rehefa mamaky lohasaha sy ala maintso mavana, na koa mandre siokam-borona, na ny fidoboky ny onja ianao, dia mandre hira ianao, ary tsy terena akory dia miainga ny fanahinao, ary re sy tsapa fa tsy ianao akory no mamoron-kira fa mandika sy mitatitra ny hiran'ny natiora fotsiny ianao! Rehefa tafiditra ny Tempoly masina ianao, dia tsapanao tokoa ilay Teny hoe: "eto amin'ity toerana ity no hanomezako fiadanana"... Mifanohitra amin'izay, rehefa mandalo fasana ianao, na mandalo toerana misy fanahy ratsy, sns dia tsapanao avy hatrany fa misy feo mampatahotra anao. Feon'ny fanahy (tsara na ratsy) avokoa ireny, fa tsy mamorona fiadanana na tahotra velively ny sainao!-NY "IMPRESSION DU DEJA VU": Tsy vitsy isika no efa nahita toerana iray na olona iray, ka nahatsapa hoe: "toa efa nahita ity (olona na toerana) ity aho"....

Hametraka hevitra
Midira aloha