réalités spirituelles (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 84
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 7
-Farany dia NY MISTERIN'NY OLOMBELONA: "Na izao tontolo izao aza ataoko fa tsy ho omby ny boky voasoratra"... Ny misiterin'ny prémonitin, clairevoyance, ny tsindrimandry, sns dia hanaovako lahantsoratra manokana aoriana kely.
FEHINY: Misy ny fanahy, misy ny mistery, misy ny tsy takatry ny saina, misy ny any ankoatra, misy ny eritreritanao fa tsy misy, misy ny valim-bavaka, misy ianao satria misaina ianao... Ary ambon'izany rehetra izany, dia MISY ANDRIAMANITRA...
   Noho izany, ny sainao no mila mifoha, mila mandinika, mila mivavaka. Ny aminao rehetra tokony ho tsapanao fa manana "réalités spirituelles", ka ampiasao ny sofina ara-panahy, ny maso ara-panahy, ny feo ara-panahy, ny fofon'aina ara-panahy, ny akanjo ara-panahy, ny saina ara-panahy, ny fifaliana ara-panahy...dia ho tsapanao fa "ny fanahy no olona", ary ho mora aminao ny manatona an'Andriamanitra, satria "Izy dia Fanahy, ka izay mivavaka aminy dia tsy maintsy mivavaka amin'ny Fanahy sy Fahamarinana"...........
84

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0383