réalités spirituelles (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 97
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 5
Voalaza fa rano nomen'i Maitre Haja mpitaiza zazavavindrano ireo, ka narianay avy hatrany. Ny olona manompo zazavavindrano dia misy "signes" ahafantarana azy: tsy maintsy lava volo (na lahy na vavy), raha lehilahy dia manjary mitarehim-behivavy, raha vehivavy dia toa "tanora endrika hafahafa hatrany" ka manjary janga, tia "sexe" tafahoatra... Miasa amin'ny tontolo ara-panahin'ny rano ny zazavavindrano, ka mila mitandrina ny Kristiana: ny rano mahery, ny rano antandrompotsy, ny ranom-bolamena... dia saika misy fanahin-devolin'ny zazavavindrano avokoa!
Ny fanahy ratsy manambady olona indray dia efa hitantsika ao @ tantaran'i Noa ny santionany. Araka ny Genesisy dia tsy naharitra ny hatsaran-tarehin'ny zanakavavin'olombelona ireo "zanak'Andriamanitra" ka nanambady azy. Mazava ho azy fa tsy ara-dalàna izany fanahy manambady olombelona izany, ka tsy eken'Andriamanitra...
97

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0358