Ilay voronkely be rehareha (Hasinala)

Mpanoratra Hasinala
Nampiditra hery
Nitsidika 48
Mpanoratra Hasinala
Angano lavalava natao hotantaraina amin'ny ankizy
Pejy 2
Herinandro vitsivitsy tat? aoriana, dia nisy vaovao niely nanerana ny ala.
Nisy voromahery antitra, atao hoe Raindanitra, nanambara fa hisy fifaninanana lehibe. Ny biby rehetra dia afaka mandray anjara. Izay hahita voalohany ny Loharano Manga, any ambadiky ny tendrombohitra fito, dia hahazo voankazo volamena iray sy voninahitra lehibe.
Voalaza fa tsy ritra na oviana na oviana io loharano io na dia amin’ny main-tany aza. Madio sy mangatsiaka ny rano azo avy aminy, ka afaka manampy ny biby rehetra rehefa tonga ny hain-tany.
Rehefa nandre izany i Hanitriniala, dia nitsambikina noho ny hafaliana.
— Ity no fotoana hampisehoako amin’ny rehetra fa izaho no tena mahery! Tsy misy hahasakana ahy. Raha ny hafa mbola mandeha an-tongotra, izaho efa tonga any amin’ny loharano!
Nanapa-kevitra ny handray anjara koa i Sokina, i Sahona ary i Vitsika.
— Fa ianao ve mba handray anjara? hoy i Hanitriniala tamin’i Vitsika, sady nihomehy.
— Eny, hoy i Vitsika. Tsy haiko raha ho tonga voalohany aho, fa hanao izay vitako.
— Hahamenatra anao izany! Tsy manana elatra ianao, tsy afaka mitsambikina lavitra, ary kely loatra ny tongotrao. Ahoana no hahatongavanao any?
Namaly i Vitsika:
— Tsy mitovy ny herin’ny tsirairay. Ny ahy angamba tsy ny hafainganam-pandeha, fa ny fikirizana.
Nihomehy indray i Hanitriniala.
— Ny fikirizana? Izany no fialan-tsinin’ny tsy mahay!
Nandre izany i Raindanitra, izay nipetraka teo an-tampon’ny hazo avo ka nitsatsaingoka.
— Tadidio, ry Hanitriniala voronkely, hoy izy, fa ny fifaninanana dia tsy natao hampisehoana fotsiny izay haingana indrindra, fa hampianarana antsika hahafantatra ny tena herintsika.
Tsy noraharahian’ity voronkely ny torohevitra. Nandritra ny alina, dia nofinofisiny ny voninahitra sy ny fiderana ho azony rehefa mandresy.
Ny ampitso maraina, rehefa niposaka ny masoandro, dia niainga ny mpifaninana rehetra.
Nitsambikina i Sahona, nandeha moramora i Sokina, ary namonjy ny lalan-kely i Vitsika. I Hanitriniala kosa nanidina avo be, ka tsy ela dia tsy hita intsony.
48

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0082