TSY HATAOKO FANTANY (Heriarilala)

Mpanoratra Heriarilala
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 126
Mpanoratra Heriarilala
Tantaram-pitiavana nitranga tamina famadihana
Pejy 3
Fiz 3 : TSY HATAOKO FANTANY

Nihendratra  Learo ary hitako nivanaka fotsiny Darindra. Izaho kosa tsy nandraharaha izany rehetra izany fa mainka henoko ny hamamin’ny vary mena sy ny tsiron’ny ron-kena. « Tsara ny kolontsaina aty ambanivohitra », hoy aho anakampo. Mety ho samy naka ho azy manko izao izahay roa raha tsy nisy an’io vilia niraisana io ka ho vitan’iny alina iny fotsiny  ny fifandraisanay. Raikitra ny  banjaonina taorian’ny sakafo. Efa somary olon-dehibe daholo no nandihy teo. Nijery mpandihy fotsiny izahay efatra lanaky ny dihy nanaraina andro ka tsy nandray anjara intsony. Ireo lehilahy lehibe efa mamomamo kosa aloha dia tena mahavita mihitsy. Naharitra antsakadiny teo ny dihy raha ela indrindra dia iny eny ny sainam-pirenena fa efa nisy nilanja. Roso àry ny olona nankany amin’ny fasana. Efa nifanarahanay telo mianadahy ny tsy handeha hamongatra any. Efa avy nanatitra ny « atero ka alao » izahay dia afaka adidy. Vola dimy arivo sy vary akotry telo vilia no nomenay. Natao dimy arivo satria nialoha ny niomanan’izy roa lahy tany an-trano dia nijery ny boky nisy ny adidy efa nataon-dry Ingahy Rôby teny aminay aloha izy roalahy ka hita fa efatra arivo no nataon’izy ireo taloha. Mahamenatra hoy i Dadanaivo ny mamerina vola mitovy ary izay tena faran’ny tsy valahara indrindra no sahy manatitra latsaky ny an’ny teo aloha. Mba roso nanaraka ny olona avy ato afara koa izahay ka rehefa tonga tery ambimbony dia nisy sampanana roa. Tsotsori-mamba nisarahaanay sy i Tovo io.
- Fa angaha indry tsy handeha hamongatra ?
- Aaa, matahotra razana aho.
- Tsy misy maninona izany any fa andao akia.
- Ka ilaozan’ny andahiko aho, tsy maintsy hody ry zareo dia tsy misy namana aho.
Nifandray tanana àry izahay fa tonga ny ora ifandaozana. Nanafosafo ny vohon-tanako ny tanany havanana, nifamatotra tamin’ny rantsan-tanako ny tanany havia. Tsy sahy nanoroka ahy izy fa maro loatra ny olona. Na fifamihinana aza tsy nisy teo aminay noho izany.  Moa ny tambanivohitra koa tsy azo atao mahita zavatra fa henjana raha hanao gazety vava. Izy roalahy koa amin’izany efa miandry ahy ery alohaloha kely ery, toy ny mandodona mihitsy ny fijeriko azy. Nifanome anarana ifandraisana tamin’ny Facebook izahay dia nifanaraka fa hifandefa sary rehefa tonga any amin’ny toerana takatry ny rohim-pifandraisana.  Niala tamin’ny laharana mitanjozotra nisy ny daholobe aho dia nivily nanaraka azy roalahy. Rehefa nandeha kely tokony ho indimy nandingana teo dia samy nifampiherika izaho sy i Tovo. Nifanakalo tsiky izahay dia samy nanohy ny diany nony avy eo. Nanam-pinoana ny mbola hihaonanay aho.
Hitako ho te hanontany mafy ahy izy roa lahy fa tsy sahy. Izaho koa tsy nitantara.
Nilamina tsara ny tany an-tanàna nony tafody izahay. Tsy nibedy ahy i Dadanaivo fa nanafatra ahy hatory aloha fotsiny izy satria ny ampitson’io no handeha hiakatra any Antananarivo ka sao reraka loatra.
Ny ampitson’iny aho nanainga aho. Learo no nanatitra ahy teny amin’ny taksibrosy. Nahatsiarotsiaro an’i Tovo aho nanadana tamin’iny lalana iny. Lasa ny saiko raha mbola any izay izy na asa hoe rahoviana koa no handeha. Tsy tafaresaka momba izany manko izahay. Tsy nisy mpivarotra fahana teny an-tanàna ka tsy afaka nanokatra Facebook hitafa taminy aho. Izahay rahateo tsy nifanome laharana hiresahana an-tsomeso. Mbola tamana tokoa aho saingy tsy maintsy nandeha satria ny alatsinainy aorian’io dia efa hiverina hiasa indray.


Nifoha alahady maraina teto Antananarivo aho. Tsy mbola nampahafantariko an’i Miandry olon-tiako ny fahatongavako. Izaho rahateo tsy mbola tonga saina tsara hoe izy indray izao no ahy fa mbola any amin’i Tovo tanteraka ny foko sy ny saiko. Saingy ny tolakandron’io kosa no tratrany tampoka tao an-trano aho fa kay fanaony nandritra ny tsy nahateo ahy ny nivezivezy tato amin-dry Dada sy i Neny.
- Andray ! Hay ve ianao efa ato dia tsy mba nilaza tamiko akory ?
- Miandry ! Tsy miarahaba « tonga soa » akory  ve lesy !
- Tonga soa aky Mirantsoa a ! Dia fa maninona no miafina ?
- Tsy miafina izany aho fa saika mba hanao vahiny tsy ampoizina tany amin’ialahy kay ialahy no tonga aloha.
Dia nisary ho babo namihina azy aho. Tsy nampaninona ahy, nasiako sonia koa teo amin’ny molony. Adidy fanao hatrizay moa izany na dia tsy nentanim-pitiavana loatra aza aho. Hamangy an’i Dada sy i Neny no anton-diany tamin’io sady hanontany vaovao momba ahy. Hitako ho faly sy ravo ery izy kanefa izaho tsy nahatsapa na inona na inona. Tsy novaiko fotsiny aloha ny fomba fiaina hatramin’izay dia ny fampandrosoana azy tato an’efitro sy ny fiarahanay mijery horonantsary. Izy no niondana teto am-pofoako fa izaho mipetraka miankin-drindrina. Nosafosafoiko ny lohany ary nanenjika ahy ny feon’eritreritro tamina segondra sasany : « ity malalako ity moa izany dia miandry zato izan-jato fa tsy mbola nanombinana aho. Feno fitokisana fa… »
- Malala a, tsy henonao mihitsy ny teniko, hoy izy nitraka kely nijery ahy.
- Hoe ahoana hoy ialahy ?
- Ilaozanao manafosafo ahy fotsiny dia lasa te hatory be aho. Ovay ho’aho ilay tele fa any aminao ilay kaomandy teo. Efa tapitra ange io e !
Tamin’ireny minitra ireny dia nisy fotoana tokoa aho nandre an’i Miandry niresaka tamiko fa nekekeko fotsiny saingy tsy fantatro ilay votoatin-dresaka raha averina adinina amiko. Rehefa namihina ahy izy dia naheno ny vatan’i Tovo nandrakotra ny nofoko aho. Rehefa nandray ny tanako dia tsapako ho tsy ampy ny maripana tonga aty amiko. Tsy mitovy hafanana ny tananan’ireo malalako roa. Tsy afa-po intsony tamin’ny fifampikasohanay sy i Miandry aho. Malahelo azy aho fa fantatro hoe mbola tena tia ahy izy. Tamin’ny fotoana sasany anefa tsikariny ihany fa tsy dia nifantoka loatra amin’ny tafanay aho ka tamin’ireny no nialokalofako tao ambany tafon’ny faharerahana noho ny dia lavitra. Avotra aho, tsy mba nanome tsiny ahy izy.
Zavatra iray tsy mba hadinoko ny nikaroka ny anaran’i Tovo tao anaty tambajotra vao nanana fahana avy hatrany aho. Saingy naharitra iray volana mahery no niandrasako azy fa tsy nety naharay filazana momba ny fanekeny ho namana aho. « Fa ahoana àry ? Angaha moa tsy i Tovo Nirina ilay anarany e ? Sa nisy anarana mitovy dia lasa tany aman’olona hafa ny fangatahako ?». Izany no nameno ny lohako rehefa tsy naharay na inona na inona avy any aminy aho. Tena tsy maintsy nionona tamin’i Miandry aho izany isaky ny faran’ny herinandro, fa tsy hita antenaina i Tovo. Tia ahy i Miandry, tsy mbola nanao ratsy ahy izy saingy… Rehefa hitako anefa fa niandry an-dRazaka tsy hivalana aho dia nanapa-kevitra fa hamerina hitia an’i Miandry amin’ny foko manontolo. Mendrika fitia mifamaly tokoa izy. Nanomboka teo dia niverina tamin’ny laoniny ny fifandraisanay. Lasa nifampitsena sy nifanatitra indroa isan-kerinandro. Niaraka nandeha nivavaka isan’Alahady. Ny toerana anefa mifanalavitra. Any Ambohitrahaba sy aty Anosivavaka. Raha mivavaka any Ambohitrahaba ohatra androany dia ny amin’ny heriny indray aty Anosivavaka. Tsapako fa hafa ihany izany olona niara-niaritra tamin’ny tena izany fa aleo hijanona any amin’izay ny haitratraitra mandalo.


Indray sabotsy àry. Tsingerin-taona nahaterahan’i Miandry, feno 25 taona tamin’io izy. Nanao fety tsotsotra tany an-tranony izy efa- mianaka ary izaho no olona nahazo fanasana manokana tamin’izany.
Tia manao zavatra tsy ampoipoizina izay i Miandry fa anisan’ny manome tsiro ny fiainana, hono, ireny.
Mialoha ny hanaingan’ny tsirairay ny verany no niseho ilay tantara mamy.
- Azafady kely aloha, misy zavatra tena tsy hafiko ary efa ela no nikasako azy fa izao angamba no fotoanany.
- Eny, anaka. Hoy ity rafozan-dahiko
Samy nanongilan-tsofina izahay rehetra.
- Voalohany aloha, tena faly aho fa vao sambany no nahita antsika efatra dimy mianaka tafaray latabatra eto izao. Isan’andro manko dia samy variana an’efiny any daholo ary samy mamoky ny tenany any.
- Fa inona no tian’ialahy hotenenina e ? Efa noana be ange izahay e ! hoy i Rotsy, anabaviny.
- Mahandrasa vetivety aloha akia… Izao e, fantatsika tsara fa ny tsingerin-taona nahaterahako no maha eto antsika rehetra.
Niato kely izy, nitsiky kely dia nijery ahy. Nanohy indray.
- Misy olona tsy mbola iray trano amintsika eto anefa na dia efa mpitsidika matetika eto ihany. Tiako ry Dada sy Neny raha hiaraka hitoetra amintsika ato foana amin’izay izy fa ampy izay taona roa nitsiditsidihany antsika teto izay foana a. Aleo izy ho tompon-trano amin’izay dia ny fianakaviany  indray no miara-mitsidika anay roa ato.
- Oeeee ! hoy ity anabaviny nitehatehaka irery sy falifaly ery.
Ireto rafozako kosa mbola niandry tsara ny tenin-janany ho tapitra. Niontana iray ihany ny foko. Nijery kely azy aho, nanolotra tsiky iray dia niverina niondrika.
- Eto anatrehanareo ry Dada sy i Neny no hilazako fa vonona hanangana ny fiainako manokana amin’izay aho ary raha ny fikasako dia vitaina alohan’ny taom-baovao iny ny raharahanay.  
- Mba te haheno ny feon’ilay vinantovaviko aho, hoy i Mama.
Tsy nampoiziko loatra ity kabarin'ny malalako ity ka  sempotsempotra ihany aho namafafafafa ranomaso nitete tsimoramora. Efa nanana tanjona ny hikambana hatrany am-boalohany izahay matoa niaraka saingy tsy mbola namaritra fotoana tamiko izy na dia efa mba nanontany izany ihany aza aho talohaloha kely teo.
- Tsy hiteny mihitsy ve ianao anaka, hoy indray ilay rafozan-dahiko.
- Tohina loatra ny foko ry Dada sy i Neny. Tsy hitako izay ambara fa inoako hoe efa fantatrareo ny fanekeko. Ny fahatongavako teto sy ny …, faly aho fa efa noraisinareo ho isan’ny fianakavianareo.
Samy nitehaka izy efa-mianaka ka raikitra amin’izay dom-bera.


Heriarilala Andriamamonjy
126 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128