TSY HATAOKO FANTANY (Heriarilala)

Mpanoratra Heriarilala
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 125
Mpanoratra Heriarilala
Tantaram-pitiavana nitranga tamina famadihana
Pejy 4
Fiz 4 - farany
Sabotsy taorian’iny indray. Nitsangantsangana teny Ambatofotsy izahay roa ny tapakandro maraina.
Tsaroako tsara !  Sisaony Parc. Nipetrapetraka teroa amoron-drano izahay. Hafa ihany hoy izy ny toerana misy rano voajanahary fa tsy toa an’ireny misy dobo filomanosana voatr’olombelona ireny, na ny firitsoky ny rivo-drano eny amin’ny takolaka koa aza tena henonao tsara. Tadidiko ireo volo maitso tanora tao aorianay. Nahatakona tsara anay tsy hisy hahatsikaritra ireny raha sanatria nisy tia zahazaha nijaikojaiko teo amin’ ilay lalan-kely manasaraka ny rano sy ny ala. Maromaro tokoa ny sangy sy lalao nifanaovana androtr’iny. Tsy nanaiky aho raha tsy nobabeny avy eny an’ala namonjy ny lalankely. Dia nifampitantana koa nizotra ny lalankely mihazo ny arabe. Nankafizinay ny natiora, satrinay tsy hiala teny mihitsy. Tsy hadinoko mihitsy ilay voron-droa niara-nihira nahatazana ny fitosinay e. Ary ilay izaho nidongy hitety ireo vato teny an-tampon-kavoana, naniry hanana sary milingilingy teny an-tampon’izy ireny saingy efa nanafatrafatra mafy ilay mpiambina ny valan-javaboahary fa tsy dia mandry fahalemana loatra any ambony any. Asa angaha, misy mpanendaka sa mpamono olona ? Ho fiarovan’i Miandry ahy dia naleony nanaraka ny toromarik’ilay mpiambina ny tsy hiakatra any. Izy rahateo kelikely manifinify. Na hiady mafy aza tsy afaka haninona eo antrehan’ny mahery mitam-piadiana. Izay mahafoy ny ainy ho an’ny tiany, hono, no tena tia, nefa ho tretrika kokoa raha miara-tafavoaka velona ao anatin’ny ady. Raha hamoy ny ainy ny tia, tsy maintsy ho manina sy ho banga azy ny tiana. Mifameno ireo, tsy natao hifandao. Iza intsony no hiaro ilay tiana rehefa lasa ny tia ? Mila kajina tsara ny hevitra hahafahana miara-mibata ny fandresena. Fihevitro io fa mety tsy ho fihevitry ny hafa. Fa na ahoana na ahoana dia tsapako hoe mamy izany miaraka amin'ny olona tena tia anao izany. Fitiavana efa ela ny anay fa tsy fitia indray nihelatra noho ny  haitraitra.



Nikorisa moramora teny ihany ny fotoana.  Niova ny toe-pahasalamako. Fanina tany am-piasana aho ary tsy maintsy nentina namonjy dokotera. Teo no nahalalana fa mitoe-jaza aho. Loza ity nataoko ! Tsy mbola nikasika ahy i Miandry hatramin’ny nahatongavako teto IARIVO. Niady ny saiko : hataoko ahoana ny filaza aminy ny zava-misy ? Nandefasako someso avy hatrany izy tamin’iny andro iny fa tsy mila azy mitsena ahy intsony ary tsy mazoto hanohy ny nofinofy niraisaina hatramin’izay aho. Mafy tamiko izany saingy tsy nataoko fantany ny antony.
Nivezivezy taty aminay foana i Miandry nandritra ny roa andro nomen’ny dokotera hialako sasatra saingy nihidy aman-trano aho. Tsy sahy nifanehatra tamin’ny hatsaram-panahiny ity izaho misaron-tava izay tsy hisalotra izany intsony atsy ho atsy. Tsy hataoko fantany ny hadalana vitako satria tsy mendrika loatra aho manoloana ny fahamarinany. Nila fanazavana tamin’i Dada sy i Neny izy saingy tsy nahalala izay antony koa ireto masoandro amam-bolako. Nohazavain’izy ireo azy fotsiny fa tsy anjara ny anay matoa rava. Nisikotra ahy fatratra koa izy mivady fa nambarako fotsiny hoe tsy mendrika azy aho ka mikasa hanorina fiainana vaovao. Tsy nikasa hanafina ny lohasolako tamin’ireto olon-kandrandrana aho saingy tsy tiako kosa raha mbola tamin’ny fotoana tsy nahaizan’i Miandry nionona no hahalalan’izy ireo ny marina ka ho tongany any.
Tapa-kevitra àry aho fa tsy maintsy hiresaka amin’ny rain-janako. Masaka tsara ny drafitra tao an-tsaiko : arahaba aloha no halefako voalohany. Raha sanatria tsy tadidiny aho anefa ka tsy mamaly izy dia halefako indray ny sarinay tany Beketrika. Raikitra izany !



Nosokafako àry ny finday, naveriko notadiavina ilay anarany. Noheveriko ho olon-kafa satria tsy ilay sary hitako tamin’ny voalohany. Akory ny hatairako ? Sariny manolotra mofomamy ho ana tovovavy iray. Sary vao naranty roa andro lasa izay raha ny daty hitako. Samy nihaingo fatratra izy sy ilay tovovavy, samy nanao akanjon’ny fampakaram-bady. Saika tsy nino aho. Novonoiko vetivety ny efijerin’ny findaiko. Nisento tokana aho. Naveriko novelomina indray hijerena azy. Tena izy tokoa ! Ary ilay sary dia nohaingoana soratra hoe « ilay tian’ny fanahiko ». Tsy mbola irony sary miakanjo fotsy any am-piangonana irony saingy efa ny dingana fara tampony eo amin’ny fomba malagasy raha ny fijeriko azy. Niantso an’Andriamanitra aho saingy tsy nanonona zavatra betsaka. Ny hany teny tonga teo imolotro dia « tsy hataoko fantany ».
Nialako ny rindrin’i Tovo Nirina dia nikaroka zavatra hafa hamalifaly ny saiko aho. Ireny ranty mifandraika amin’ny fikarakarana zazakely ireny no nozahako dia toa nahazo hamiranana aho. Hamiranana nihelina ihany anefa izany fa toran-tomany indray aho nieritreritra ny fitaka nataoko an’i Miandry ka nahatapaka mandrakizay ny tadim-pitiavanay. Aiza intsony re no hahitako olona toa azy e ? Hay olona mpanararaotra no nandotoako ny fitiavanay. Hataony ahoana indray izao ny filaza amin’ny ray aman-dreniny fa nanda azy aho ? Raha hanontany azy ny antony ireo ankohonany dia inona no havaliny ?
Tsy sahy nifanatri-tava taminy intsony aho ka niala maraina be tao an-trano rehefa hiasa ary vavahady any ambadiky ny fiasana nivoahako rehefa mody aho. Reko mantsy hoe mbola nivezivezy tany am-piasana i Miandry naharitra iray volana teo ho eo. Mbola nitady ahy tany an-trano foana koa, hono.
Iriko mba ho tojo ny anjara sahaza azy iny malalako fahiny iny. Araka ilay tononkiran’i Iniah izay hoe «  nefa mino aho fa mbola hitraka ianao hanohy ny fiainana katsahinao fa ny lalana niraisantsika dia ho tapitra hatreo. »  Sady angaha koa moa misy lehilahy boka herintaona izany e ?

Tsy afaka ato an-tsaiko iny alina tany Beketrika iny. Alina miavaka, alina nahitako ilay endrika tena nanaitra ahy. Tsy mbola voafafa ato an-tsaiko ny salovany. Tovolahy maradona, zarazara fihodirana, olioly volo, samy vahiny izahay no tany. Olona nahazoako voandalana novolen’ny haitraitraitra. Alina namafazako ka nijinjako an’i Nekena sivy volana taty aoriana. Veloko i Nekena. Vehivavy miasa aho ary vehivavy vanona ka tsy nikasa hanembantsembana ny tokantranon’i Tovo. Izy kosa ? Tsy hampahalalaiko na oviana ny fisian’i Nekena. Efa sambatra izao i Nekena. Tongako eto aminy daholo izay ilainy. Mitafy tsara izy, feno ny fitaovam-pianarany. Ara-pahasalamana koa ny sakafony. Miasa ny reniny. Inona no tokony hampahafantarako an’i Tovo ny fisiany ? Eny, na i Nekena koa aza tsy hataoko mahalala an’ilay rainy mpamitaka, hafeniko azy ny tantaranay, ny ditrako. Tsy hataoko fantany.

TAPITRA
Heriarilala 280823 20:21
125 1

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102