SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1238
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
y hatory indray… raha ianao rambesin-tory avy hatrany eo am-parafaranao, izaho kosa ety amin’ny tsihy fatoriako tenain’ny eritreritra mafy ka mbetika atonjany eny an-tanin-karavoana, mbetika atopany eny amin’ny sehatry ny hakiviana tanteraka….fa raha ny anao irony torimason-jazakely irony, torimason’ny sambatra, torimaso lavitry ny adin-tsaina; ny ahy kosa torimason’akoho miambina ny mangiran-dratsy hiantsoana namana hitafana indray.Hitafa aminao, hilalao miaraka aminao, fa ianao marina ilay singam-bolo nahalavo ny vositra, ianao ilay nahafolaka ny zatovon’Iarivo, nandresy tanteraka ahy, fa akaiky dia akaiky ahy ianao nefa lavitra ihany koa : Zatovolahy nambinin’ny vintana mantsy aho, lahy tokana mpihanta amin’ny rainy, sakaizan’ny vola, naman’ny mpiliba, zanaky ny alina ary tompon’ny antoandro, talentako ny mampifila, haiko ny manambitamby… nefa izaho indray ankehitriny no mila handady eo anatrehanao ry zatovovavy feno zavamiafina. Mihatra amiko marina ankehitriny ilay fiteny malaza hoe « samy tsy maintsy ho sendra ny mahery noho izy avy ».. Koa vao maika misavoritaka ny adin-tsaina mahazo ahy ato anaty fiara atoDia eto aho.. mibanjina ity vohitra kely ity …handroso indray sa hihemotra?.. Fa ao mantsy no misy an’i Soimanga.. dia i Soimanga sy ny hakantony, i Soimanga sy ny tsiky keliny, i Soimananga sy ny ankaromiafiny.Tena izao tokoa ve no hetsika farany hataoko ny amin’i Soimanga? « Hetsika tena farany ataoko ity rangahy a! ».. izany foana no ambeti-teniko isaky ny tonga eto amin’ity toerana ity aho.. nefa dia izao mbola tafaverina eto izao hatrany...« Tsy maintsy hataoko anio izay hahalalako ny tsiambaratelony ka mahatonga azy hanifika ny fitiavako. » hoy aho tapakevitraFa iza marina ianao ry tovovavy?.. mikitroka loatra ny momba anao….inona marina no afeninao?.. fa na ny fifandraisantsika aza hatreto dia noferanao ho hatreo amin’ny oroky ny mpianadahy .. mba fantatrao moa fa arakaraky ny anafenanao amiko ny momba anao no mampisisika ahy hahafantatra izany… arakaraky ny ametrahanao ny fitsipika eo amintsika no mahamay ahy handika izany.. fanahy iniana ve ny anao sa odin-kevitra efa voarindra? Taratra eo amin’ny fihetsikao sy ny voambolana ifampiresahantsika mantsy fa tsy mponina ety velively ianao fa mpiavy.. koa iza ianao? avy taiza? ary ho aiza?.. na ny nahatongavan’ny fiarako hatreo an-tokotaninao tamin’iny alina nanafihan’olona ahy iny aza.. na ireo fitaovana ao an-tokatranonao na ireo fitafiana isaloranao, ny fahaizanao mampirindra an’ireo rehefa eny an-koditrao..ny fahafantaranao ny fiaimpiainan’ny zatovon’Iarivo.. ny fanginanao tanteraka tsy hanadihady ny momba ahy.. .izany rehetra izany dia tena mahavaka ahy….fa hainao ny mangina ary hainao koa ny mipetsona... very tanteraka aho eo aminao nefa koa hipoka anao ny saina amam-panahiko… ary ny tena mahadiky ahy aminao dia fantatrao tsara izany nefa dia odianao adala.. fa maninona e?. fa misy inona e?.. fa nahoana?.. inona marina no anton’izao? Toy ny isaky ny tonga aho dia hafaliana sy haravoana no andraisanao ahy…. tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tsapako ho tena nahasambatra anao tokoa ny fihaonantsika indray, saingy mbola noferanao ny fihetsikao ka endrika somariaka sy faly fotsiny ihany no nandraisanao ahy… ary izany toetra feno fifehezan-tena anananao izany indrindra no ankafiziko sy vao maika itampikirako aminao. Dia natolotro anao ny vatsy nentiko sy ny fanomezana kely notsintsiniko ho anao.Ny alin’iny dia tao an-dakozia isika no nitaria.. Rehefa avy nampangotrahinao ny laoka nentiko ka handeha hanokona ny nahandro hariva ianao dia nanontany aho raha misy zavatra hafa ankaotry ny vary sy laoka azo atao, valabalaky ny làlana mantsy aho ka tsy nazoto loatra ny hisakafo : « Bonaka am-bavan’ny kamo no ao » hoy ianao sady nangala-pijery ahy no nitsiky. « Fa inona koa izany? » hoy aho. « Vomanga re izany a » hoy ianao lokiloky ery. Dia tapaka ary fa vomanga hatono no hatao ary hotondrahana kafe sy ronono….fa latsaky ny hehy ianao raha iny tonga dia natorako tao anaty afo iny ilay vomanga toy ny totohondry.. dia nampianarinao mitono vomanaga aho: ny atao raha misy lelan’afo sy ny fomba fitono azy raha ao anaty vainafo.

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha