SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1243
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
o vomanaga aho: ny atao raha misy lelan’afo sy ny fomba fitono azy raha ao anaty vainafo. Dia mbola ridan’ny hehy indray ianao nahita ahy main’ny vomanga vao avy nalaina tao anaty lavenona. Naka fandambanana ianao ary dia naparasakao teo amboniny ny vomanga telo amana efatra : « Avelantsika hangatsiaka eo ireo aloha, hoy ianao, ka ianao manitrika hafa indray ary izaho kosa hanidina ny kafe ».Ny vomanga mitsonika ho azy ao am-bava.. ny hanitry ny kafe nampidininao.. ny hazavan’ny afon-kitay mihalontralona…. ity lakoazia kelikely efa ngalin’ny setroka an-taona maro.. ito ankalana itorovohako.. ary ny feonao misangy ahy manoatra ny kalo tsara rindra iky, ny hehinao toy ny valiha torifolo manaraka azy, ny tsikinao tsy foiko loatra ..izany rehetra izany dia manenika ny fanahiko ka manainga azy ho any an-tsefaky ny nofy sambasamba... fa kianjan’ny fahatsorana ety, sehatry ny fiadanan-tsaina, izany marina ve no akanin’ny fitia?Mamy loatra tamiko izany fotoana izany Ny alin’iny vao mba nantsoinao hiaraka hatory aminao aho. Akory anefa ny hatairako raha sendra nahatsiaro aho fa hay mitomany mangina ianao, mifokofoko samy irery, na inona anefa fanontaniana napetrako, na inona tambitamby nataoko dia tsy nisy nampitsahatra ny sentonao mahalankalana tao anaty ny aizina tao izany. Fa izaho fotsiny no fihininao mafy, ny tavako amin’izany mandon’ny ranomasonao, ny volonao mipetaka amin’ny tarehiko.. sanganehana be ihany aho… tsy hitako izay hataoko .. tsy feno fatra ve ny hafinaretanao teo amin’ny fiarahantsika sa safomoron’ny hasambarana loatra ianao?.. dia tsy haiko e.. mifamotaka be ihany tao an-tsaiko izany rehetra izany.. ary toa manenina indray aho nanaiky ny antsonao Efa niposaka elaela ny masoandro vao nahatsiaro aho. « Mety ve raha mankany amoron-drano isika anio dia rahariva vao miverina? » hoy ianao sady nanondro ireo harona roa efa voaomanao Dia iny isika roa mifampitantana, mandalo hodimirana, mihazo lalankely, manatona ny moron-drano dia mafanome tanana rehefa hitety ireo vato anaty rano satria hiampita.. ary dia mbola manohy miorika ihany isika. Ny hafanana amin’izay efa manomboka miakatra; ny vorona indreny mifaly havanja ka misodisody etsy sy eroa mbetika mialoha lalana antsika miarahaba amin-kalo, mbetika any an-tsefa-dravina any mihoby. Izany rehetra izany dia laroin’ny sangy kelinao, ingain’ny hehinao mikarantsana. Hatramin’ny longoza avy aza no injany nandraraka ny fofony mamerovero.. Nony sendra lelan-torapasika iray isika teo amoron’izay riana kely izay dia nitoby teo, ary ny aloky ny zamborozano no niaro antsika tamin’ny hainandro Na izany aza dia somary maloka ihany iny tontoloandro iny satria na teo aza ny hantahanta sy ireo sarin-ditra nifanaovantsika dia tsapako fa misy zavatra tianao hambara saingy tsy nety nivoaka imolotrao izany, ary rehefa mody variana iny aho dia tsikaritro ho mangaika ahy mafy ny masonao, dia maso safotrin’ny fisalasalana mibanjina ahy, toa miantso vonjy. Nanambitamby anao aho ary nidongy aza indraindray mba hilazanao izay mahazo anao nefa mbola tsiky kely narahinao oroka no navalinao ahy. Niandry tamim-paharetana ny hivahan’izay mangeja anao aho nefa dia tsy nisy izany. Telo andro taty aoriana, raha teo am-panomanana ny sakafomarainantsika iny ianao,dia nilaza aho fa hiainga rahampitso maraina; nihantona tampoka ny tananao ndeha hanovo rano ao amin’ilay sinibe tany raha nandre izany.. nefa tsy nitodika nijery ahy ianao. Segondra vitsivitsy no naharetan’izany, ary dia notohizinao izay nataonao. Efa elaela taty aoriana vao niteny tamiko ianao fa handeha hanasa lamba eny an’ony isika rehefa avy misakafo eto. Toy ny fanaonao hatrany dia faly sy mariaka ery ianao.. na izany aza ny ao am-po tsy ambaranaodia taratro fa mavesatra. Feno ny angetsanao anefa iny tontolo andro iny, hipoky ny angotinao, tototry ny haravoanao ka voasingorin’izany ny saiko; voasavika tanteraka ny fanahiko satria nezahinao ny tsy

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha