SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1245
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
hisiana segondra na iray monja aza hitaona ahy hahatsiaro fa hifandao isika rahampitso… mandrapaha mainan’ny lamba indray dia notaominao aho hisambotra valala teo amin’ilay ankamarenana manamorona ilay ony : naka ahitra ianao, natrebokao tao izay valala azontsika rehefa navonanao ny vodiny.. Indray maka, efa mihohoka eo amin’ny ahimaitso ianao no niantso vonjy fa « Misy valala mila ho robaka ato amin’ny tanako » hoy ianao.. kinanjo nony tonga aho dia naronjonao sady mihomehy ianao no manorokoroka ahy; feno antsika ny moron-drano, manakoako any an-dakira any ny hehy sy horakorakao : izany ianao ilay nahazo kirody lehibe iray iky : hafaliana moa izany fa nihinjakinjaka toa ireny zazakelyireny ianao!. Rehefa isaky ny hiainga aho hatramin’izay dia eo antokotaninao ihany isika no mifanao veloma fa tamin’ity kosa dia niakatra tao anaty fiarako ianao ary nilaza fa hanatitra ahy hatreny amin’ny arabe, sambany koa tamin’ity vao mba tsy nikatsetsatsaka ianao koa dia nangina ny tao anaty fiara. Efa nijanona elaela teo amoron’ny arabe aho nefa dia mbola tsy nikihina ianao fa nitodika any ankavanana, toa variana mijery any ivelan’ny fiara, farany dia izaho no nanapaka ny fanginana: « Fa hono, hoy aho, iza no nitondra ny fiarako teny antokotaninao tamin’iny izaho notafihan’ny jiolahy teto iny? » - Izaho, hoy ianao, ary mba fantatrao moa fa mpamosavy ange no nanavotra anao tamin’iny - Mpamosavy? Fa angaha tsy ianao! » - izaho tokoa » - Ahoana tsara hoe! Mpamosavy ianao? » Gaina aho, kepoka, toa novakiam-baratra... tsy fantatro intsony izay nahazo ahy, tsy tadidiko intsony izay teny voavoakako… Roa taona mahery no nifaneraserako tamin’i Soimanga. Dia tena voan’ody tokoa ve aho? Dia tena voamosavy ve? Nivadika ho volana teny anefa ny andro ary efa ho tapa-taona mahery izay no nahitako farany an’i Soimanga. Nantsoin’i dada aho indray hariva ary nilazany fa izay, hono, vao matotra ka tokony hieritreritra ny haka vady amin’izay, ary efa misy nosaintsaniny any, dia i Angèle.. Tsy vahiny amiko i Angèle, ary tsy hitako tokoa izay tsy hanambadiako azy....ny fianarana niofanany, ny fanabeazana nomen’ny ray aman-dreniny azy, ny toerana misy an-dry zareo ara-piarahamonina dia tsy misy antony tokoa tokony tsy anekeko ny fanirian’i dada: fa tovovavy tompon’ny bika i Angèle ary tsy mangataka koa raha hatsaran-tarehy… nefa izay no namoha indray tato anatiko ny amin’ i Soimanga. Dia nitamberina ilay nisarahanay farany : nangotraka loatra mantsy ny adin-tsaiko teo anoloan’ny familiana tamin’iny fotoana iny ary tsy fantatro intsony izay fihetsika nataoko na izay teny voalazako fa izy efa manjoy ny lalan-kely mihazo an’ilay vohitra onenany no tazako. Dia iny izy tsy miherika, amin”izato zipony mitopatopa, ny volony ahofahofan’ny rivotra, ny tapany ambany takon’ny ahitra komavoka, izy kosa toa mikorisa miha manalavitra ahy. Fa nikainkona ny foko tamin’iny fotoana iny, nihorona ny atidohako, hendratra mafy ny saiko, fempona ny fanahiko koa dia niefonefona irery teo aho satria safomorona loatra ny hatezerako ka ny ranomasoko sisa nipotrapotraka. Hatezerana, hagagana, hadisoam-panantenana, fanafintohinana, alahelo… sy ny

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha