SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1239
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
ako ihany, hoy i mama, fa ianao sy ny ho avinao mba ahoana? » Navesatra taminy loatra izany eritreritra izany. Hatramin’ny tany am-piangonana avy mantsy no nanilika anay mianaka, ny maso vilana sy ny takoritsika mbola zaka ihany fa ny niandanian’ilay mpitondra fivavahana tamin’i dada noho ny rakitra mipoapoaka sy ny fanomezana manakoako no kanonta nampirepirepy an’i mama. ». « Dia ahoana no nataonareo mianaka? » « Fara herin’i mama dia mba nanatona irony mpimasy irony. Indrisy anefa fa toy izay mba hanasoa dia vao maika nandetika an’i mama izany satria lasa nivoaka alina izy. Fanarabiana sy fisintahana no vokatr’izany ary ny nahagaga anay mianaka dia tonga hatrany am-pototsofin’i dada io ka izay no nakalazainy ary nahazoany rariny teo amin’ ny tany ama-monina »Nipotrapotraka ny ranomasonao, ny feonao kendankenda, nefa tsy nijery ahy ianao fa nifantoka ny lavitra sady nanohy ihany :« Leo monina i mama ary dia nifindra taty ». « Ary ianao? » hoy aho nanontany « Torak’izany koa. Azonay ihany anefa ny anjara lovan’i mama tamin’ny ray aman-dreniny; azo koa ny antsasaky ny fananan’izy mivady. Namidin’i mama avokoa ny tany rehetra sy ireo fanaka mavesatra dia nividianany trano indray izany mba hanampy ny efa nananany ka ny hofan’ireono iainako hatramin’izao »« Ary ny reninao? »« Mafy ho an’i mama izany rehetra izany. Am-bolana maro izy no narary, nijaly loatra izy ary tsy nety tapitra ny ainy raha tsy noraisiko ny tanany, dia nandova azy aho ary izay no naha mpamosavy ahy koa. »Fanina aho, kivy, nalahelo, very hevitra… Mangirifiry tamiko loatra izany : fa midona amin’ny ampiantany ny fitiavako ary voagadra ao anaty manda tsy hay vikinina ny fiainan’i Soimanga manontolo.. Dia inona no hataoko?..Fa nitakoko niforitra teo an-tongotro ianao, nandray ny tanako ary niandrandra ahy : « Fantaro ry Anselme fa tsy olon-dratsy avokoa akory ireny mpamosavy ireny, misy amin’izy ireny ange no manenina nefa tsy afaka miverina intsony. Matokia ianao fa izay nisy teo amintsika dia tsy voampetina na kely akory. Tiako loatra mantsy ianao ka tsy foiko hiditra amin’ny helo efa misy ahy.. koa maherena tokatrano soa aman-tsara ianareo sy Angèle » « Angèle? Hoy aho gaga, fa taiza no nahafantaranao an’i Angèle? » « Fa heverinao ve fa tsy mba manina ny fiainana ao andrenivohitra ao aho e! Eo an-tanananareo eo dia misy tranonay sy mama mihofa koa.. ary satria tsy maintsy hisy handimby ahy izay ho taranako raha miteraka aho dia aleoko tsy manana; noho izany rehefa tsy eny intsony aho dia ny zanakareo sy Angèle no handova ireo trano vitsivitsy mba ananako, ao andrenivohitra ao avokoa ireo. » Jenjina aho, ankona, kepoka.. « Aza lavinao izany fa izany ho solon’ny fitiavako anao…ary esory ny ahiahinao fa toy ny niarahantsika sy ianao hatramin’izay dia tsy misy mosavy ireo, hoy ianao nanohy ihany…ary na mpamosavy aza aho dia manam-pitiavana ihany » Ambohitra - 10/05/13

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha