SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1242
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
nipotrapotraka. Hatezerana, hagagana, hadisoam-panantenana, fanafintohinana, alahelo… sy ny sisa tsy haiko nolazaina intsony satria feno loatra aho.. dia tsy nankany aminy intsony aho hatreo Ankehitriny dia efa mitony tanteraka aho nefa mbola ao dia ao ihany ny farasisan’adin-tsaina raha ny momba anao ry zatovovavy feno am-po tsy ambara : hatraiza no maha marina iny voalazanao iny? Tena izay tokoa ve no izy sa mbola ireo sangiratsinao… sao ary dia fitsapana ahy, nefa raha izany kosa dia hitako ho tena mavaivay loatra.. ary ahoana marina moa no ahafantarana izay tena ao am-ponao e? Koa naninona tokoa raha mba nanontany anao aho na nanadihady mihitsy aza fa tsy tonga dia nisafotroaka toa iny ka dia nitrifona?.. Amin’izao fotoana izao raha mitadidy ireo andro vitsivitsy farany niarahantsika aho : dia ilay tomany sy sefosefonao tao anatin’ny alina, ireo topimasonao miantso famonjena fony teny amoron-drano isika, ilay hafalianao noterena fony isika nanasa lamba sy ireo oroka feno famoizam-po, ary ilay nidongianao hanatitra ahy hatreny an’arabe… dia mino aho ankehitriny fa nisy tokoa otrikafon’ny fonao tao mba tianao hozaraina tamiko ka mety ho tari-dresaka ihany iny volazanao iny nefa dia nirintonako sy niambohoako tsotra izao ianao. Ah!.. dia tsy ho afaka aminao mihitsy ve aho ry zatovovavin’ny tsiambararoa!?... kanefa moa ve ny tontolonao tsy misy angetsana, ny toetranao tsy misy ankamehana dia hanjary ho tady vavarana tonga fatomaty hanagadra ny fitiavako tsy ho an’ olon-kafa noho ianao!?.. ireo izay niarahantsika niaina ve ho voapiriko ao anaty vatan’ny fanadinoana any an-tsisin’ny foko any… indrindra ankehitriny dia mino aho fa meloka ihany raha tsy namela anao mba hanazava!.. ka ho fiatsarambelatsihy marina raha hiritsoka fitia amin’olon-kafa aho nefa ny avelonao mbola hanaloka ahy hatrany… izay tia ve adala tokoa? Halemena ve ny ahy? Sao kosa mandrora ny tsy maimbo aho… Dia iny indray aho fa tafaverina teo aminao.. nikatona anefa ny varavaranao; rehefa nanontany ny manodidina aho dia nolazain-dry zareo fa any an-tsaha ianao. Indro tazako ianao: ny tapany amboninao ihany no hita : kazaka vony no nanaovanao ka tonga dia niavaka tao anatin’ny ravi-mangahazo ka nampiakatra ny hakanton’ny laingon-tavanao izany, sanga vitsivitsy no voasariky ny rivotra ka misangy ny tarehinao. Vao nahatazana ahy ianao dia toa tsy nino, na izany aza dia hafa noho ny fandraisanao ahy hatrizay ny nandraisanao ahy teto satria dia niverina nioty ny ravi-mangahazo ianao ary tsy niraharaha ahy akory.. hendratra ihany aho nahita izany fihetsikao izany ka niantso anao, niherika kely fotsiny ianao ary niteny hoe « Andraso kely aloha ». Tsy fanaonao tamiko izao toetra izao nefa dia niandry ihany aho. Feno tsara ilay harona vao nanatona ahy ianao ary avy hatrany dia sady nibanjina ahy no nitrerona hoe « Nahoana no niverina ianao? » Tampoka tamiko ny fanontaniana ka dia nihanahana tsy nahita havaly aho. Nosintoninao ho eo ampototr’izay manga izay aho ary mbola nanontany ihany : « Inona no mbola iverenanao aty? » tsy namaly aho fa nafantoko tamin’ny jerinao ny masoko. Tsy nahatanty an’izany ianao ka dia nitorovoka teo ampototr’ilay hazo, dia nitombona teo anilanao koa aho. Samy nangina kelikely isika vao hoy ianao « Efa maty an-karanany hatrany amboalohany ange ny antsika… ary tsy aleo ve manorina fitia any an-kafa ianao Ary dia nitantara ianao :  « Talena sampan-draharaham-panjakana i mama, i dada kosa efa mpandraharaha hatramin’ny razambeny. Niditra nanao politika i dada ka nahazo toerana ambony noho izany.. Indrisy anefa fa tsy zakan’i dada izany toerana izany satria tsy nahatanty ny fakampanahy toy kolikoly sy ny halatra izy ary efa nokororohin’ny gazety. Nanomboka teo ny fahorian’i mama dia ny eson’ny mpiara-miasa, ny hatezerana sy latsan’ny fianakaviana ary ny tondromolotry ny fiarahamonina ». « Iza no anaran’izany dadanao izany? » Hoy aho nanontany, tsy novalianao anefa ny fanontaniako fa notohizinao ny tantara. « Fa ny tena tsy zakanay sy mama dia ny fitondran-tenan’i dada satria tsy vitan’ny hoe nanana vadikely i dada fa mbola nirehareha tamin’izany koa izy. Mafy ho anay sy mama izany. Niezaka nananatra an’i dada aho, nanatona ny ray aman-dreniny i mama saingy tsy nisy nampiverina an’i dada izany, « Ny amiko, anaka vitako ihany, hoy i mama, fa ianao sy ny ho avinao mba ahoana? » Navesatra taminy loatra izany

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha