Ny Farantsakelin'ilay vehivavy mpitondratena (Marc 12:41-44) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 13
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 3
Na izy manjary mpangataka sy miandry fahafatesana eo ankianjan'ny Tempoly (tahaka an'i Ana zanaka vavin'i Fanoela ao @ Lio 2:36-38). Ity vehivavy mpitondratena amin'ny texte anjarantsika ity dia anisan'ireo mpangataka tao an-kianjan'ny Tempoly koa.
Rehefa manome ny mpangataka moa isika dia ohatrinona no mba fointsika? ARIARY ZATO! Ary rehefa manao rakitra? ARIARY ZATO: indrisy! Ampitoviantsika @ mpangataka Andriamanitra. Fa hiverenantsika ilay vehivavy mpitondratena: ohatrinona no vola nanaovany rakitra hoy ny Soratra Masina eto? FarantsaKELY ROA! Vola mba azony tamin'ny fangatahana saika mba hatao sakafo io raha ny tena marina, ary izay no itenenan'i Jesosy eto hoe: "ny fivelomany rehetra no natolony". Ity nadika hoe "farantsakely" ity dia sandam-bola madinika indrindra tamin'ny vola jiosy: nantsoina tamin'ny teny hebreo hoe "lepta" roa; ary tamin'ny teny grika dia "drakma" roa na "didrakma". Ary na dia voromailala iray aza (fanatitry ny faraidiny) tsy azon'izany! Izay no FARANTSAKELY aminy!
13

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1307