Ny Farantsakelin'ilay vehivavy mpitondratena (Marc 12:41-44) (Elysé Azrael)
Pejy 5
Ry havana, "ny fonao no ilainy" hoy ny Tanora Masina Itaosy; izany hoe "ny fonao, ny fanoloran-tenanao" no tena tadiavin'i Jesosy. Na adidy na rakitra, n'inon'inona resa-bola ato anatin'ny Fiangonana, dia tsy hafa fa endrika isehoan'ny fanoloran-tena avokoa ireny. Rehefa tena tsapanao fa mikarakara anao Andriamanitra, manome anao hanina sahaza isan'andro, manome vola ho anao, manome anao hery sy fahasalamana,sns dia tsy sarotra aminao ny manolotra ny tenanao ho an'Andriamanitra, ary tsy mitarai-tana-miempaka ianao amin'izay rakitra sy adidy kely aty ampiangonana. Fa rehefa tsy mbola masaka ara-pinoana ianao, dia ianao ilay tariky ny mpanao hoe: FA VOLA INONA IHANY LEHIRETSY IZAO ANGONINA AO AM-PIANGONANA IZAO A?Ry havana, raiso ho modely ity vehivavy mpitondratena ity, ary tsarovy mandrakariva fa ny "adidy tsy an'olon-dratsy" (ary ny olon-dratsy tsy tafiditra @ Fanjakan'ny Lanitra). Araho asa ny finoanao, mba hananao finoana velona hidiranao @ fiainana mandrakizay.

Hametraka hevitra
Midira aloha