Ny Farantsakelin'ilay vehivavy mpitondratena (Marc 12:41-44) (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 165
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 4
Ahoana ary no fomba fijerin'ny Jesosy ny fanatitr'ilay vehivavy mpitondratena? Tsy ny fanatitr'ilay mpitondratena ihany no nojeren'i Jesosy eto, fa ny an'ireo mpanakarena sy ny sisa ihany koa, araka ny and.41. Raha amin'ny maha olombelona antsika dia ny "quantité" na ny habetsahan'ny vola no ironan'ny saintsika, fa Jesosy kosa amin'ny maha sady olombelona tokoa no maha Andriamanitra tokoa Azy, dia mahita ny tsy hitan'ny olona sy ny miafina rehetra Izy. Ahoana hoy Jesosy any @ Jeremia sy any @ Apokalypsy any? "Izaho no mandinika ny fo sy ny voa". Ny fo (leb fa tsy lebra @ teny hebreo), sy ny voa (kelayôt @ teny hebreo), dia tandindona na symbolin'ny fanahy, satria any anaty lalina any no misy an'izany fo sy voa izany. Ny hitan'ny olona dia VOLA FARANTSAKELY tsisy valeur, fa ny hitan'i Jesosy kosa dia FARANTSABE dia tsy inona izany fa ny toe-panahy mahafoy, manetry tena, feno fitiavana sy fahatokiana an'Andriamanitra: izany no hitan'i Jesosy tamin'ilay mpitondratena sy ny fanatiny!
165

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0456