Ny Fitondram-piangonana (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 98
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 1
Zava-manahirana ny mitondra olona, na eo anivon'ny Fanjakana na eo anivon'ny Fiangonana, fa izay horesahina eto dia ny olan'ny fitondram-piangonana: ho an'ny mpitondra fivavahana ohatra dia heverin'ny olona sasany fa tsy tokony homena vola mihitsy fa tokony hiasa an-tsitrapo fotsiny; tsy vitsy koa ny mihevitra fa tsy tokony hasiana fitsipi-pifehezana (rakitra, adidy, valopy, sns) ao am-piangonana satria "tsy ambany lalàna fa ambany fahasoavana", sns. Santionany amin'ny hevi-diso miparitaka ihany ireo fa ny itovizany dia izao: TSY MILA RAFI-PITONDRANA NA LALÀNA NY FIANGONANA.
Mazava ho azy fa diso tanteraka izany fiheverana izany. Ny Fiangonana mantsy dia "rafitra" ka tsy maintsy ahitàna ireto zavatra ireto farafahakeliny: fiaraha-monina (société), fahefana (pouvoir), mpitondra (dirigeant), lalàna (loi)... Ireo zavatra rehetra ireo dia tsy maintsy apetraka eo anivon'ny Fiangonana satria mbola manana fototra mitsatoka amin'ny tany ny Fiangonana, fa tsy mihevaheva eny amin'ny habakabaka tsy akory.
98

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076