Ny Fitondram-piangonana (Elysé Azrael)
Pejy 3
Faharoa dia misy fahefana miasa ao amin'ny Fiangonana. Thomas Hobbes dia milaza fa misy karazany roa ny fahefana, dia ny "potestas" sy ny "auctoritas". Ny auctoritas dia fahefana ankatoavina satria mahasoa sy ambony ilay tompom-pahefana. Ny dokotera ohatra dia manam-pahefana amin'ny marariny AN-TSITRAPO, ary ankatoavin'ny marary ny teniny (ordre du médecin) satria mahasoa azy izany. Ny potestas kosa dia fahefana didin'ny besandry sy noho ny hery famoretana, ka ankatoavina TSY FIDINY noho ny tahotra.Ny fahefana miasa eo anivon'ny Fiangonana dia ny fahefan'Andriamanitra sokajy AUCTORITAS, izay ampiasain'ireo mpitondra Fiangonana. Ny mpitondra Fiangonana araka izany dia tokony hankatoavina amin'ny maha solontenan'Andriamanitra azy, ary na ny fiaraha-monina tsotra, eny hatramin'ny Fanjakana aza dia tokony hanaiky ny fahefana maha Ray aman-dReny azy. Ny mpitondra Fiangonana ary dia manam-pahefana amin'ny maha manam-pahaizana sy amin'ny maha olon-kendry ary amin'ny maha Ray aman-dreny azy.

Hametraka hevitra
Midira aloha