Ny Fitondram-piangonana (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 96
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 4
Fahatelo, misy mpitondra eo anivon'ny Fiangonana izay mampiasa ilay fahefana AUCTORITAS teo. Ny antony ilàna mpitondra dia handamina sy hampandroso. Ny mpitondra Fanjakana ohatra dia tsy maintsy mampiasa ny fahefana eo am-pelatanany hanatanterahana ilay antsoina hoe "fonctions régalienne" dia ireto avy izany: sécurité publique, santé publique, diplomatie, défense et armée, santé (mety hiovaova araka ny firenena io fonctions régaliennes io). Mpitondra tsy mahavita azy, ary azon'ny vahoaka ahongana ny mpitondra tsy mahalamina sy tsy mampandroso, indrindra fa tsy mahavita ny fonctions régaliennes.
Tokony ho tsapan'ny rehetra ny fisian'ny mpitondra (effectivité des dirigeants) sy ny fampandrosoana entiny. Ny Constitution-ny FLM ohatra dia mametraka fa ny Pastora no Ray aman-dReny voalohany iankinan'ny raharahan'ny Fiangonana (rafitra fototra) sy ny rafitra sampana rehetra. Saingy tsy tokony ho ny Kristiananao ihany no tokony hahatsapa ny fisianao raha tena leader ianao, fa hatramin'ny Katolika sy ny Sekta koa
96

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.3311