Ny Fitondram-piangonana (Elysé Azrael)

Mpanoratra Elysé Azrael
Nampiditra Azrael666
Nitsidika 98
Mpanoratra Elysé Azrael
Pejy 2
Voalohany dia fiaraha-monina ny Fiangonana. Ny atao hoe fiaraha-monina dia olona roa na telo na vitsivitsy/maromaro mivondrona noho ny anton-javatra iombonana. Araka izany dia tena fiaraha-monina ny Fiangonana satria vahoaka maro no mivondrona ao.
Mila tsaroana foana fa tsy mivondrombondrom-poana ny fiaraha-monina iray, fa manana ny tanjony. Raha jerena ny etymolojian'ny teny hoe "société" dia avy amin'ny hoe "socius", izay midika hoe compagnon (du lat. Cumpanem: mizara na miombona sakafo). Ny tanjony raha raisina ara-bakiteny izany dia fiombonana sakafo, ary azo itarina ho: firaisan-kina, fifanampiana, fifampizaràna, etc.
Ny Fiangonana araka izany dia tokony hampanjaka ireo soatoavina lehibe ireo, satria ny fiaraha-monina tsotra aza manana izany ho filamatra, mainka fa ny fiaraha-monina masina iombonan'ny zanak'Andriamanitra!
Ny fahavalon'ny fiaraha-monina ary dia ny fizarazarana sy ny fitokana-monina. "izay mitoka-monina: mpamosavy". Fehiny: fiaraha-monina mila fitondrana ny Fiangonana.
98

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0076