Ny Fitondram-piangonana (Elysé Azrael)
Pejy 5
Fahefatra sady farany horesahiko ny resaka lalàna mifehy ny Fiangonana amin'ny maha fiaraha-monina azy. Hoy ny ohabolana latina iray: "ubis societas ibis jus" na "tsy misy fiaraha-monina tsy misy lalàna". Fanjakan'i baroa na baranahiny (anarchie) ny fiaraha-monina tsisy lalàna. Noho izany dia tsy azo heverina izany Fiangonana tsisy lalàna na fitsipika manan-kery. Ny fahalalahana (libérté) araka izany fahazoana manao izay rehetra tsy voararan'ny lalàna sy omeny alalana hatao.Natao hankatoavina sy hampiharina ny lalàna, na lalam-piangonana io na lalàm-panjakana, na lalàn'ny natiora aza; ao amin'ny lalàn'ny FLM ihany no andraisako ohatra: ny Pastora no mpitondra voalohany, ordonnateur principal amin'ny lafiny ara-bola, HANY afaka mampiato sy manongana (excommunier) ary mamerina (absolution) ny mpandray Fanasan'ny Tompo... Ao anaty Constitution sy Fitsipika manan-kery avokoa izany.
Ny tiana havoitra dia mahasoa ary mila hampiharina ny fitondram-piangonana. "DURA LEX, SED LEX"(la loi est dure mais c'est la loi)

Hametraka hevitra
Midira aloha