I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 242
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 242
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy.
Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 2
Volana roaIndray andro, hono, nisy lehilahy nanana anarana hoe Samang. Mpanjono izy. Isan'andro, naka trondro hamahanana ny fianakaviam-beny foana i Samang. Namidiny teny an-tsena ny ambin'ireo trondro ireo mba hanangonana vola hividianana trano vaovao.
Indray andro, nihaona tamin'i Khan mpiray vodirindrina aminy i Samang.
- Manahoana i Samang !
- Manahoana i Khan, ahoana ny fahasalamana ?
- Te hangataka zavatra aminao aho, afaka mampindram-bola ahy ve ianao ?
- Hampindram-bola anao ? Nanangom-bola hividianako trano aho, kanefa hampiako ianao.
- Misaotra, Samang. Haveriko ny volanao amin'ny roa volana.
Ny iray volana moa telopolo andro.
Nandeha ny fotoana, tonga tao amin'i Khan i Samang.
- Manahoana, namana ? Ilaiko amin'izay ny volako.
- Tsia ka, volana anankiray ihany no misy. Sady izaho niteny taminao hoe haveriko ny volanao rehefa misy volana anankiroa.
Tsy faly i Samang. Noho izany dia nandeha tany amin'olon-kendry anankiray antsoina hoe Vithu izy, mba haka torohevitra.
- Manahoana i Vithu ? Mila fanampiana aho.
- Miarahaba, Samang, inona no nitranga ?
- Nisolokian'i Khan mpiray tanàna amiko aho. Nomeko vola izy dia tsy mety mamerina.
- Inona no nataon'ilay mpiray tanàna aminao ?
- Nampanantena ahy i Khan fa haveriny ny volako rehefa misy volana roa eny an-danitra. Tsy azo eritreretina izany.
- Aza manahy ! Hampiako ianao. Teneno i Khan fa hihaona eny amoron-drano isika rahariva.
Nony hariva, hono, dia nankeny amoron'ny renirano i Samang, i Khan ary Ingahy Vithu. Nilentika ny masoandro, ary namiratra teny an-danitra ny volana.
- Manao inona ety isika ? Hoy i Samang
- Andao hijery volana roa hoy i Vithu.
- Ha ! Tsy hisy mihitsy izany hoy i Khan.
Notondroin'ilay lahiantitra tao anatin'ilay renirano. Nisy tara-bolana.
- Jereo, Khan, misy volana roa ireo. Azafady, mba avereno ny volan'i Samang.
Tezitra,hono, i Khan saingy tsy maintsy naveriny ny vola. Nanomboka teo,hono, dia tsy niresaka tamin'i Samang intsony izy.
Nalaina tamin'ny "Once upon a time", English Club TV
Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy 25-06-26

Hametraka hevitra
Midira aloha