I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)

Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 242
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy. Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 3
Ilay Mpanjakan'izao tontolo izao

Indray andro, hono, nisy sahona, antsoina hoe Lucy. Nipetraka tao amina dobo kely iray izy.
Isan'andro, nilomano tao an-dobo i Lucy ary nihinana moka sy nanenoneno tamin'ny feo mafy.
Indray maraina, nifoha toy ny mahazatra izy, ary tampotampoka teo dia nanana hevitra hafakely.
- Iza aho ? Inona moa raha tsy sahona fotsiny ? Ary ahoana raha izaho no Mpanjakan'izao tontolo izao ? Eny, izaho no Mpanjakan'izao tontolo izao. He ! Aiza daholo ! Avia ety !
Nivory manodidina an'i Lucy daholo izay rehetra tao an-dobo.
- Ry Trondro, ry Sahona, ry Sifotra ! Henoy aho.
- Hm...
- Err
- Inona no dikan'izao?
- Ny dikan'izao dia hoe hankatò izay rehetra lazaiko ianareo manomboka izao ! Satria izaho no Mpanjakan'izao tontolo izao !
Rehefa nilaza izany i Lucy, nisy vorompotsy lehibe dia  lehibe nanidina teo ambonin'ilay dobo. Martin no anarany. Henony ny resak'ilay sahona ka nidina izy.
- Izany hoe ianao no Mpanjakan'izao tontolo izao ! Aleo fa hasehoko anao hoe toy ny ahoana ny halehiben'izao tontolo izao.
Sady noraisiny tamin'ny vavany ilay sahona ka nentiny nisidina ambony dia ambony
- Fa inona ity ataonao ? Ampidino aho !
- Mangina ry Sahona dia jereo ! Izao tazanao izao ilay izao tontolo izao. Niakatra avo dia avo ihany i Martin.
Sambany teo amin'ny fiainan'i Lucy izany, hitany ny farihy, ny lohasaha, ny ala ary ny tendrombohitra.
- Tsia kosa ! Hay ngeza be izao tontolo izao. Tsy te ho Mpanjakan'izao tontolo izao indray aho.
- Izany mihitsy no neritreretiko ry Sahona. Miverena any amin'ny dobonao.
- Tafaverina ny Mpanjaka e !
- Tonga ny Mpanjaka e !
Hoy ireo biby tao an-dobo nihoby azy. Saingy tsy nahafaly an'i Lucy ny nandre izany teny izany. Takany amin'izay mantsy fa lehibe izao tontolo izao ary hafa mihitsy, tsy araka ny nieritreretany azy.

Ianaro tsara rankizy ny mikasika ny tontolo manodidina anareo.
Nalaina tamin'ny "Once upon a time", English Club TV,
nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy, 07-07-26
242

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0073