I Kiyoshi mpanao kiraro (Heriarilala Andriamamonjy)
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 242
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Nampiditra iheriarilala
Nitsidika 242
Mpanoratra Heriarilala Andriamamonjy
Angano maromaro no ato amin'ny takelak'i Heriarilala Andriamamonjy.
Angano vahiny nadika amin'ny teny malagasy avokoa izy ireo. Ny isan'ny pejy no isan'ny angano ato. Izany hoe angano iray isaky ny pejy iray. Manasa antsika rehetra hamaky. Rehefa hampiasa ny angano voasoratra ato kosa ianao dia iangaviako mba hanonona ny loharano sy ny anaran'ny mpanoratra izay nandika azy ho amin'ny teny malagasy.
Pejy 4
Vaingam-bolamenaIndray andro, hono, nisy lahiantitra anankiray, antsoina hoe Peter. Indray andro, nangady tao an-jaridaina i Peter. Tampotampoka teo, nahita vaingana volamena izy.
- Toa vaingam-bolamena be ? Hoentiko any amin'ny Mpanjaka ity dia hahazo valisoa aho.
Nalain'i Peter ilay vaingam-bolamena dia nentiny nankany amin'ny lapan'ny Mpanjaka.
Nony tonga tany, nahita miaramila Jeneraly anankiray, antsoina hoe Alexei izy.
- Ho aiza ianao ry ilay lahiantitra ity ?
- Tonga eto aho hanome vaingam-bolamena ny Mpanjaka mba hahazo valisoa.
- Eny àry, hamela anao handeha aho, saingy tsy maintsy homenao ahy kosa ny valisoanao.
- Eny, Tompoko, homeko.
Nandeha nankany amin'ny efitranon'ny Mpanjaka i Peter.
- Sarasara ianao Mpanjaka ! Indro misy vaingam-bolamena hitako tao an-jaridainako, azonao alaina ity.
- Misaotra, inona ny valisoa ilainao ? Vola? Akanjo? Tany ?
- Tsia, tsy misy ilaiko izany. Te ho voakapoka injato aho.
- Ho voakapoka ? Eny àry, raiamandreny, araka izay irinao.
- Eny, ny Andriana, azonao antsoina ve ilay Jeneralinao ?
- Eny
Ary nantsoina i Jeneraly Alexei.
- Indro, Tompoko, azonao raisina ny valisoako izao.
- Inona izany ? Vola volamena 100?
- Tsia, kapoka zato.
Niezaka nitsoaka kosa i Jeneraly Alexei vao nanomboka ny kapoka.
Aza manandrana maka izay zavatra tsy anao.
Nalaina tamin'ny "Once upon a time", E.C T.V 06-07-26
Nadikan'i Heriarilala Andriamamonjy, 14-07-26

Hametraka hevitra
Midira aloha