SOIMANGA (Imbitika Rambala )

Mpanoratra: Imbitika Rambala
Nampiditra: imbitika
Nitsidika : 1204
Sokajy: Fitiavana
Tantaram-pitiavana tsy dia fandre loatra
Naatoko ny feon’ny milin’ny fiarako nefa tsy nivoaka aho satria mila misaina lalina aloha Ditsoky ny tambolin-tadion’ny fitia aho mantsy ka jemby satria niladian’ny vahin’ny fitiavana ny foko ka sempotra ary ela nilan-traka aho ity ka sendra ny komoay mahadifotra... Difotry ny adin-tsaina ary lazondazoin’ny fitiavana ka mila misaina lalinaTeto amin’ity toerana ity indray alina aho no voatafiky ny jiolahy. Mba nanohitra ihany nefa tran’ny be no ho vitsy ka lavo. Dia tao amin’io vohitra kely tazana eo andrefana io vao nahatsiaro tenaRaha topaza-maso hatrety ilay vohitra dia havoana kely sinarona kininina mijoalajoala, ireo kininina ireo indray no manemitra alam-boafotsy ary lalankely anaty bozaka makiana sy komavoka no mandady hatreny no mankety. Iza tokoa moa no hanam-po fa misy tanàna ange ao antampon’io havoana kely io satria an-gebantany loatra ity toerana ity« Soimanga no ataovy anarako » hoy ianao tamiko rahefa nahatsiaro tena teo ambony farafaranao aho. Soimanga!... tena anaranao tokoa ve izany sa angotinao amiko? Ka na dia ny anaranao aza dia mbola ampitambazinao ahy. Saingy ny hirifirin’ny ratra sy ny fanaintainan’ny lako nahazo ahy aloha no mbola henoko niketoka ny vatako tamin’izany fotoana izanyHefarana taty aorian’ny nilazanao ny anaranao dia nisinda tsikelikely ny ahiahiko sy ny tahotro ka nanjary revo tamin’ny rafibatanao mezaka sy maradona aho, amin’izato volonao ngaly sy lava midaboka ao an-damosinao.. ary izato endrikao iky!… bakorakora izay!... kanto tokoa raha ianao!… tena zavavin’ny tantsaha, zatovon’ny ambaniravinkazo. Endrika sariaka, toetra tsy dia rototra nefa tia sangy ary tsiky kely hatrany no nasetrinao ny fanontaniako sesi-rivotra napetrako taminao. Ary rehefa hitanao fa nandongilongy aho satria tsy namaly ny kaikan’ny fitiavako ianao dia hoy ianao : « Ny fanavotako anao dia tsy midika velively fa tia anao aho »« Mitombona ny valinteninao, hoy aho, saingyNaninona no navotanao aho?.. aingitraingitra te hanome trosa ahy ve sa farango anantonanao ny saiko mba hazoanao misintona azy isak’izay sitraponao?....Fa naninona aho no navotanao e?...hetraketraka tianao hatao amiko ve sa fitiavana te hanana sakakely holalaovina?....Fa naninona tokoa aho no navotanao hoy aho?.... Fanamparan-kery tiana hatao amin’ny fanahiko ve sa endrika nafafy tamin’ny masom-panahiko ho ditsoky ny fitia?...Fa naninona marina tokoa aho hoy aho no navotanao?.... fahafinaretana ho anao ve ny mahita ahy voakapakapan’ny fitia toy izao ka mirediredy amin’ny teny tsy mitohy toy ny adala? Fa ataonao kinarinarina amin’ny rantsan-tananao toa tehina aho, ataonao tanisa toa voasary »Nefa mbola tsiky kely hatrany hatrany no navalinao ahy, amin’izato masonao baribary sy ny toetranao toa ireny an-jaza atodiorokoroka ireny izay tsy mahazo akory ny dikan’ny teny ambara aminy.Niverina taty aminao aho taty aoriana mody hoe hanatitra valim-pankasitrahana kanefa raha ny marina dia efa nisaritaka sahady ny iram-pitiavako satria nisaringotra taminao. Fa tamana taminao aho na dia sorena aza, te ho eo anilanao foana aho na dia madiky aminao aza satria nitangazotra taminao ny saiko ary vonto anao loatra ny fanahiko. Efa impiry aho izay no niverina taty aminao!... dia entinao manondraka anana eny amoron-drano aho ary mifaninana isika misambotra fandiorano sy tsikovoka ; dia ireny isika manao kivony rehefa maka kitay eo amin’ilay kirihitrala eo avaratanàna; dia miara-misorona afo isika no sady mamindro; dia eo isika, eo amorom-patana eo, mitafa mandraka alina.. mila ho tonga hatrany amin’ny maneno akoho.Koa vao maika sady gaga aho no revo, sady talanjona no renoka, sady kehana no lasa adala aminao.

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha