AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 644
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 2
             Any amin’ny faritry  Manandriana, tanàna iray atao hoe : Mahazo. Misy atao hoe : Vohidrakidahy sy Vohidrakivavy , izay vohi-bazimba : Ramasoandro dia zanak’i Ramakarabo andriana tany amin’ny Antaimoro , izay taranaka Arabo tany Lameka. Ireo olona manana fiteny “ Proto-Austronésienne des Vazimbas ”  , sy ny teny “ Swahili ” sy “ Shahili ” na Bantus . Ny teny iray tarika amin’ny  Néo-Austronésiens =  “ Malais ; Javanais : Bingis : Orang laut ” .
              Raha teo amin’ny tantaran’ny foko Betsileo , dia ny Bongo no nanana anjara toerana lehibe, fa sady nalaza sy natanjaka, nanana filoha hendry izy ireo no lalin-tsaina ihany koa . Ireo karazana vondron ‘olona mitovitovy fihaviana ireo no ilay antsoina hoe : « Nadagno zavona » Nilomano tamin’ny zavona . Matetika no miteraka ady sy savorovoro tamin’ireo vondron’olona mitovitovy karazana ireo , ny ady tany sy ny fandratoana andevo , ary ireo  te hanitatra ny ambaindain’ny fanjakany. Raha ny teo amin’ny vazimba indray dia ny “ Bodisy ” sy ny “ Andrianakatsatsa ” , no tena nalaza.
Ny  Hova  no  andriana  nampanjakaina, ny Anakandriana no raiaman-dreny lehibe sy manan - kaja.
Ny Andevohova , no lefin’ny hova izay nalaina tamin’ireo Anakandriana.
Ny Andevo kosa dia ireo olon-dresy sy ratsy fitondran-tena ka nahetry ho iva razana.
                   Raha ny tantara no zohina ( arahana ) dia Arabo mpifindra monina ireo andriana Betsileo ireo : Ao ny Hovampanominda sy ny Hovabe.
Ireto avy izy ireo :
Betsileo avaratra : ny Maroandriana
Manandriana sy Midongy : Zafirambo
Isandra : Zafimaharivo
Ankona : Zanakandranovola
Lalangina : Zafindravelo sy Zafianarana
Vohibato : Zanakatara
Tsienimparihy : Zafimahafanandry
Alananindro : Zafindreony
Homatrazo : Zafimahatohamana
Misy amin’izy ireo no midi-droa toa ny :
Manandriana : Zanakandranovola
Ankona : Zanakatara
Isandra : Zafimahatohamanana
             Izy ireo dia mivelatra ho Arabo manontolo , fa tsy voafaritra ho firenena tokana ihany. Raha ny zava-misy , ao amin’ilay tendrombohitra iray , ao Alakamisy Ambohimaha ; harambato no marimarina kokoa, mandalo amin’ny RN7 iny, dia misy soratra tsy hay vakiana ao ; ary tsy hay vinaniana ho soratra Jiosy  na  soratra  Arabo.
644 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108