AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 648
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 4
                Manomboka  eto  kosa  ary , dia  ny taranany no , nangalana ny tantara. telo mianadahy ny zanak’Andrianitanosy , dia ireto avy izany :
Andriamanalimbetsileo ; Ratrimo , ary Ranosy
                 Samy nahazo ny anjara lovany , mba hanjakany avy ,  izy telo mianadahy , ka  Andriamanalimbetsileo , no tao Andraimbe
Ratrimo kosa,  tao Imady , ary Ranosy  kosa no , tao Imito .
[ Ny foko Zafirambo aloha , no fototra niaviana saingy eto dia somary nanahirana ny tenako izay nanao ny fikarohana fa tena Zafirambo tokoa ve no fototra sa ny Maroandriana ? ]
                   Raha heverina ho tao Mananjary mantsy no nidiran’ireo Arabo mpifindra  monina sy mpivaro-mandeha ireo , izay an’ny foko Antambahoaka dia noheverina ho nandalo tamin’ireto tanàna ireto : Antsenavolo, Rondro, Ifanadiana, Ambohimena na Ambohimiera no marimarina kokoa, Ambohimanga atsimo, Ambinanindrano, Imerina Imady, Ambositra. Ny reniranon’i Ampasary kosa no tsakaina .
                   Raha atao hoe , avy ao Manakara indray , izay tanànan’ny foko Antemoro,  no heverina ho nidiran’izy ireo dia ho nandalo ireto tanàna ireto : Ambila, Sahasinaka, Tanambao, Manapatrana, Tolongoina, Ikongo, Mahaditra, Vinanitelo, Alakamisy Itenina, talata Ampano, Andranovorivato, Fianarantsoa, Ambohimahasoa, Alakamisy Ambohimaha, Ambositra.
                   Mahaditra hatreo Ambositra dia an’ny Betsileo. Ny reniranon’i Sandranata sy Sahambavy no dikaina, Tena lalina sy be voay anefa io rano io ary ala mikitroka no dikaina ary tsy ferana ny mety ho fahavalo nisakana ny dia. Mety ho tanàna hafa mihitsy araka izany no nizoran’izy ireo fa tsy voatery ireo tanàna ireo akory no nizorany raha ny lojikan-javatra .
                Raha ny Tanala no resahana , dia nisedra ny fanafihan’ny mpanjaka Betsileo matetika tokoa . Ny taranaky ny Zafirambo no nitondra sy nifehy teo amin’ireo vondron’olona Tanala, ary amin’ireo tanàna sasany any , dia ahitana taratra izany ; ny andriana Zafirambo nanjaka tany dia Rambo , avy eo nodimbiasan’i Andriantsamobe.
                  Ny Tanala  sy  ny Betsileo , anefa samy manana ny maha izy azy , ary  tsy mitovy fomba amam-panao mihitsy. Eo anefa no mipetraka ny olana satria raha vondron’olona iray no niandohana, tsy maintsy misy kolontsaina nitovizany tao ; izany anefa toa mifanipaka sy mifangarika. Ohatra iray ity izay inoako fa mahasarotiny an’ireto foko roa ireto.
                    Ny Zafirambo , dia olona tena tia lamba hasy ho fitafiana mianjaika. Ny an’ny Betsileo kosa anefa , dia ny lamba Arindrano tanteraka no fitafiana ambony karazana sy lafo vidy aminy .
648 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113