AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 646
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 3
            Tsy  mbola  nisy  nitonona ho nahavaky io soratra  io anefa ireo Jiosy na Arabo mpifindra monina na ny nandalo teto na izay nitoetra , kanefa azo inoana fa maro tamin’izy ireo no mpandalina ireo soratry ny firenena niaviany. Mijanona ho zava-miafina izany hatreto. Azoko inoana anefa fa io soratra io , dia soratra Betsileo talohan’ny taon-jato fahaefatra tany ho any, ka ireo Ntaiva na Gola no nandrafitra azy ho vato sikotra an-tsoratra noho ireo vondron’olona ireo nahiran-tsaina tokoa fahiny . Porofo iray ity : ny foko Antaimoro , dia nandova ny soratra Arabo ary hain’izy ireo tsara izany ; eny fa dia ireo Arabo  any amin’ny tanindrazany aza dia mahay tsara ny dikany.
Tsetsetra tsy aritra ity ; Ary ohatra anankiray velona : Ny Ketaba :  « Contrat de Mariage Juif , du Yemen en 1975 » dia Mitovy amin’ny  Katibo  Antemoro .
              Fanaon’ireo Ntaiva ireo mantsy ny namela dindo teo amin’ireny lozoka na harambato ireny ny sikotra fanaony , fa tsy nionona tamin’ireo hazo an’ala ihany izy ireo , mba ho famantarana teo amin’izy samy izy.
               Ny foko Betsileo  ihany koa dia nanana mpitsara atao hoe :  « Lavahala »  sy ny lalàna atao hoe : « Fotsihotro » ary io Fotsihotro io no sazy farany izay henjana , ary nampiharina tao aminy ka nahavery fananana ireo tratrany . Ireto avy izany  :
Ny Mpisavika ao an-drova
Ny Mpamosavy na Mpamorika
Ny Jiolahy
Ireo Mpitsara nampihatra ny Fotsihotro no lasa anara-petaka na anaran’eso hoe :  « Fotsihotro »

1.3 Ambositra Fahizay
                         Manahirana tokoa ny namaritra ny tena marina , mikasika ny mpanjaka teto Ambositra. Na ny tompon’anaran-dray na ireo mpahay tantara mpikaroka dia ahitana fahasamihafana avokoa. Ekena ary fa ireo rehetra izay nanontaniana sy nanaovana fanadihadiana dia samy nanana ny filazany.
                          Ny tantara dia naneho fa Impanalina , izay zanak’Andrianitanosy , no tompon’Ambositra na ry zareo mpahay fikarohana momba ny tantara aza sahiran - tsaina , noho ny fisian’ny Mpanalina maro nanjaka teto Ambositra.
Ireo tompon’ny tantara anefa izay  Taranaky Ramanandrovola , ao  «  Sud Caserne »  , dia maneho an’Andriamanalimbetsileo ho tena tompony  ary  mbola miteraka ady hevitra be satria tany Vakinankaratra dia nisy an’izany Andriamanalinimbetsileo  izany ihany koa.  Anarana mitovy ve sa olona iray ihany sa misy fifangaroan’ny tantara. Iry voalohany fotsiny tsy misy « ni » eo anelanelan’ny « li » sy ny « mbe ».
646 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148