AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 652
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 6
                   Tia fanorona loza tany ny mpanjaka, niady ny telo noho ny dimy izy no tonga Ilaidama , avy  taty  Imerina  mba hanafika an’Ambositra hanitarany ny fanjakany ho iray ( 1758 - 1822 )  [ voka-pikarohan’ny mpanoratra ]. Tokony ho 50 taona , Andriamanalimbetsileo tamin’izany.
                Niainga avy ao Madiolahatra ny tafika ( Tafik’Imerina io ) izao no hevitr’io anaran-tanàna io fahizay, izay madio no milahatra hiantafika, somary nianantsimo ny andian-tafika , ka tonga teto Ambohimiadana, nojereny ka niadana tokoa ka nilaozany, nandroso nianatsimo ihany , ka tonga teny Maharivo, rehefa tonga tao Maharivo  dia nisy naningana ka lasa tany Mahalaina ambanin’ny Volafotsy ny miaramila iray.
                 Ela ny ela ka tonga nameno 999 , ny  iray  vao  tonga  ka  lasa arivo ny tafika. Izany no naharaikitra ny tanàna ho Maharivo. Niakandrefana somary nihodina nianatsimo dia tonga teo Fihodinana ( Ambatonorina ).
                 Hoy Ilaidama : « Aoreno eo ny toerana ». Nataon’Imerina fahirano Ambositra, nanao izay ho afany anefa ireo tafik’Andriamanalimbetsileo, na dia maro aza ny tafik’Ilaidama. Velona ny tifitra teo amin’ireo tafika roa tonta sy ny tora-defona , ary ny kapa famaky ; na ny andaniny Betsileo na ny ankilany Merina dia samy nahitana maty sy naratra avokoa , saingy tsy nitovy ny hery .
                Nanaovana aloalo na rarivato ireo miaramila maty an’ady ho fahatsiarovana azy sy mba hamantarana ny fasana andevenana azy ireo. Noho ny fahirano anefa dia noana sy nangetaheta ny tao an-drova ka nisy vehivavy , na  
( Ampela ) iray niafinafina nitondra siny mba haka rano no voasambotra  ary  nentin’izy  ireo  tany  amin’Ilaidama. Tsy resy mihitsy ny mpanjakan’Ambositra raha tsy namboraka ny tsiambaratelo ilay ampela azo sambo - belona. Inona  no  fady  fa  tsy zaka  , hoy Ilaidama mantsy ilay ampela ? Alaivo  ny  lambamena  sy  ny  ran’amboa  ( alika ) mainty, hoy ilay babo, ana velona, natahotra ny ainy. Rehefa vita izay dia nampanaovin’Ilaidama an’io ampela io ny akanjony ka napetrany teo Ambatonaorina. Tsy hain’i Andriamanalimbetsileo ho vehivavy izy io fa noheveriny ho ilaidama ka hoy izy : « tsy maty ny telo noho ny dimy, ary tsy orana io ( izao ) poa-basy izao hitaika an’Ambositra ». Tamin’izany dia notondroin’ilay ampela , fa io afovoany manao fanorona io ny mpanjaka. Nitifitra Andriamanalimbetsileo ka ilay vehivavy no voa…Resy Ambositra hoy Ilaidama fa namono ny namany ; mba namaly tifitra ny mpanjaka Ilaidama ka voa ny mpanjakan’Ambositra. Nirohotra nibosesika niditra tao an-drova ny tafika, raikitra ny ady, tao ireo nitondra ny andriana , teo anivon’ny kianja , ka  nolefonin’ireo tafik’Imerina izy.
652 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0112