AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 658
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 8
          Ny taranaka an-daniny dia maneho fa nanana vinanto roalahy ny mpanjakan’Ambositra dia : Rasaminjato . Tsy hay ny tantarany sy ny momba azy , ary Ramanandrovola .
          Ny taranaka ankilany kosa dia mampiseho fa Ramanandrovola dia , nandray ny toeran’ny zanakin’ny mpanjakan’Ambositra . Loharano hafa mihitsy ; raha ny mahakasika ny andriana Ramanandrovola na Rainilango , araka ny tantara aty amin’ny taona arivo fahatelo , nampitaina tamin’ireo taranany dia « Lovan-tsaina sa lovan-tsofina » dia iray tampo amin’ny mpanjaka tao Ambositra izy io . Rehefa resy ny andriana faha Radama I , niantafika dia nalefan’ny mpanjaka nandositra izy fa izy kosa niandry izay higadonan’ny manafika avy aty Imerina . Voalaza fa izy sy ireo nanaraka azy no nivarina tao Fandana rehefa nataon’ny Merina fahirano . Ary nanafatra izy fa ny Merina dia tsy mahazo milevina ao Ankrokana , izay fasana nilevenany . Taranaka faha dimy no nanambara izany   ( 17 Jona 2023 : Ankerana ) Mahakasika ny fanamboarana ny Fasana kosa dia azo ambara fa mitovitovy ihany afa tsy ny hoe : Nisy mpanompo velona natao lafika tao nalevim-belona niaraka taminy ary lakam-bola no nanafenana azy tao }.Tsy mampiova ny tantara izany ; fa ny iraisana di any hoe , Nisy izy ary avy aminy no nihavian’izao taranaka izao ary mbola ao ny fasana nilevenany . Talohan’ny nanafihan’ny mpanjakan’Imerina taty Ambositra , dia hoy ny mpanjaka mantsy an-janany : «  mbola hisy  ihany ve io toerana io » mantsy an’Antampon’i Vinany , eo andrefany somary miatsinanana dia Antety , io tendrombohitra nanatrika azy io izany . Ramanandrovola no nidina sy nonina teo , taty aorian’ny fanafihana niharo fitaka nataon’Ilaidama teto Ambositra.Teo amin’ny toeran’ny “residence” ankehitriny io izany, teo no naminaniany ; ny hisy ny taranany  rahatrizay ; toerana izay nahalasa vinany ny andriana. Natsangany ary nataony teo ny fonenany, izay no nahatonga ny toerana eo ambony avaratry ny « Residence » ho « Avaradrova ». tao izy no very anarana ho Rainilango , noho ny zanany lahimatoa. Rehefa resy Ambositra dia very ny fiandrianam-panjakany ka nipetraka ho Hova na andriana tsy nanjaka izy , na izany aza  anefa dia maro ny mpanompony sy ny vahoakany no tia sy nanaja azy. Ao Antampon’ny Vinany, ambanin’ny « Residence », dia nisy vato roa lehibe, teo no vavahady nidiran’ireo ombiny marobe na « Lozoka », ao ihany koa no misy ny tafoton’andriana, mbola ao io tafotona io fa tsy misy mahita.Ny  tafotona dia fanafody gasy, natao hiarovana an’io toerana io ary teo amin’ny sisiny roa teo no toerana nametrahana azy.
658 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129