AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 662
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 11
Nisy ny fotoana izay niakaranay sy nanitsahanay ny Rovan’Ambositra voalohany indrindra teto aminay taranak’i dada, tao anatin’izay 40 taona  izay , ary koa nanitsahana an’Andriamamahana . [ Tsy nanitsaka ny fasan-drazana tao Akrokana kosa anefa izy mianaka fa niandry tery amin’ny arabe ambany  , tsy noho ny tahotra fa noho ny  fanajana  , amin’ny  maha  hafa  firazanana azy fotsiny ..., na  dia  izany  aza  anefa dia nahazo tso-drano tsara avy amin’ireo ray amandreny izy : Hoy mantsy i Dadabe  RALAIVAO Emilson : « Ianao…ianao anaka no vinanto voalohany tonga taty aminay, sady zanaky ny zafikely voalohany amin’izy rehetra ». Izaho nanoratra sy nikaroka ny  tantara  mantsy  no  zafikelin-dRandrianarivo Emmanuel, zafiafin - dRalaivao Emmanuel , voalohany indrindra ihany koa. ( Matory eo am-pandriana efa reraka io ray aman-dreny be io tamin’izahay nitsidika azy io ).]
                 Izay  ny amin’iny fa raha hiverenana kely ny namindrana ny razana ho eny Akrokana. Iray volana mahery be izao no fe-potoana nomena, notetezina avokoa ireo taranaky Ramanandravola rehetra, momba ny hamindrana azy.
                         Vahoaka maro tokoa no nanatrika teo, na olona ambony teo amin’ny firenena na ny tompon’andraikim-panjakana tao Ambositra, Sivily sy manamboninahitra miaramila ary ireo manam-pahefana  isan-tsokajiny. Volana Aogositra tamin’izany, fotoanan’ny erika ka nanerika ny andro. Notombohin’Ingahy Ralaivao Emmanuel ny tany, nisava ny andro ary dia niroso teo amin’ny famindrana ireo razambe ny taranany. Roa ihany no nambara tamiko momba ny fasana dia ny ao Akrokana sy ny eny Ambalamahasoa. Ny isam-pianakaviana anefa dia samy manana ny fasany avy. Eto dia ialana tsiny raha misy razana tsy voasoratra noho ny fahateran’ny mpitantara, amin’ny fotoana mahamety azy dia asiana tovana ity boky ity ; koa eo ianareo fianakaviana hanampy ny tsy ampy.
Ny fasana ao Ambalamahasoa :
              Io dia fasam-bato lehibe ka ireto ny razambe milevina ao :
Rafaralahy Emmanuel = Nipoitra avy aminy ny fianakavian’i Dada
Ravelona = nipoitra avy tao ny taranaky Ravelontsalama Andrianarivo
Ralaikamisy
Ny fasana ao Akrokana :
              Izay fasana lehibe manana ny tantarany izay voalaza tery aloha ; Ireto koa no milevina ao :
Ramanandrovola
Rajoseph
Ralaivao Emmanuel = Raiben’i Dada
Rakotofaralahy
Randrianoelina
Razakarison
662 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131