AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 659
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 9
                   Ny « Gite d’Etape » ankehitriny dia valan’ombiny, toerana saro-pady izy io na tamin’ny androny na amin’izao fotoana izao, ary avy amin’io lozoka voalaza teo aloha io no miditra sy mivoaka ireo ombiny ireo , ary ny mpanompony ihany no tompon’andraikitra amin’izany, izay entin’izy ireo ho any atsimo mba hiraoka ahitra. Ampanidy , io toerana hiandrasana ny ombin-dRamanandrovola io ka rehefa hariva kosa ny andro , dia teo amin’ny toerana misy ny « Residence » ny andriana no nanisa ny ombiny.
                   Ralango zanany lahimatoa, izay nahavery anarana ny rainy dia namonjy an’i Lohalambo ao Ambahinaondry , izay nanorenan-dRaonivelo sy Renikibo zanany sy zafikelin-dRamanandrovola ny fonenany. Io Ralango io dia  niray fasana tamin-dRainy, tao Akrokana, ambanin’ny fasam-bahiny fa taty aoriana dia nalain’ny taranany. Io fasana io dia misy vatolampy iray lehibe misy haavo 4 na 6 metatra eo ho eo, ary ny sakana manodidina azy dia tsilo izay mirefy eo amin’ny 2 m. Ny haben’ny vato kosa dia sahabo ho 2,500 m eo ny sakany ambony ary 4 m kosa ny sakany ambany, milanja 6 taonina . Tao anatin’ny 8 taona vao vita io fasan-drazana io , ary namonoana omby iray isan’andro ; izany hoe : omby 2920 izany no maty raha 365 andro  ny  taona  iray. Ankehitriny  noho ny taranaka maro efa nanambady foko hafa dia nanam-pikasana ny hanao lavarangana ny taranaka ireo  raiamandreny  mbola  velona, rehefa   miala  ety  an - tany  ka hody vovoka. Ny atao hoe : Lavarangana mantsy dia hotovanana fasana vaovao ety ivelan’ilay fasam-bato lehibe io .
                         Tamin’ny taona 1942, dia tonga teto Ambositra Atoa « Layette » izy dia lehiben’ny distrika ( araka ny filazan’Atoa Rakotorahalahy Joseph avy ao Ambohimiadana, taranaky Ralango) fa i dadabe Ralaivao Emilson , kosa dia nilaza fa Atoa « Turckee » no lehiben’ny distrika tamin’io taona io ihany, izy dia taranaky Rafaralahy Emmanuel , samy  zanaky  Ramanandravola izy roalahy ireo fa ny iray an’ny lahimatoa ny iray kosa an’ny faralahy ; izany hoe : zafiafin-dRamanandrovola  na Atoa Rakotorahalahy avy ao Ambohimiadana  na  i  dadabe  Ralaivao  , avy  ao  Sud  Caserne.
                    Namoaka  didy ny fanjakana mba hanaisotra ny razambe rehetra tao Akrokana eo ambany andrefan’ny tanànan’i Manarintsoa , fa ilain’ny fitondram-panjakana frantsay , izay nifehy  teto Madagasikara ny tany, mba hanorenana fasam-bahiny. Niady ihany Rafaralahy Emmanuel , fa  tsy  nahatosika  ny  didy ny anao  lahy  tsaroany  anefa  ny  tenin-drainy  nanao  hoe « tsy miala tato aho raha tsy tendrim-panjakana » .  Nanomboka tamin’io taona 1942 io , dia samy naka  ny azy ny taranaka rehetra, ka Ralango araka ny voalaza tery aloha dia nalain’ny taranany ao Ambohinaondry, ao izy no milevina ary tsy nahetsika ao intsony.
659 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0124