AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 666
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 12
Rafalimanana
Rafaralahy  Berthin
Ravoniarisoa
Andrianarivo Noro Malala Nirina Stella Lova Fety, zandrin’ny mpanoratra faha 7 ;  zaza  rano izy iny lasa iny , ary natao anirotra, ka raha ny renay dia  natao somary avaratry ny varavaram-pasana no nametrahana azy sy Andrianarivo Zazaharohavana Richardison Marin, zandrin’ny mpanoratra faharoa ary nandao anay ny Paska 2022 . 53 taona izy iny lasa iny , lozam-pifamoivoizana no nanjo azy. Ny Alarobian’ny Paska izy no nentina tao Ankrokana . Nanatitra azy tany izahay 5 mianaka sy ny iray tampo aminy ary ny namany sy ny vady aman-janany.
Ireo nalevina any am-pielezana kosa :
Randrianarivo Emmanuel, Dadabe kosa milevina any Diego.  
Ravelontsalama Andrianarivo Richard , izay rain’ny mpanoratra sy Andrianarivo Tolojanahary Tahiana Dany Marie Marina, mbola zandrin’ny mpanoratra ihany koa , dia samy milevina ao amin’ny fasam-pifohazana FFPM , ao  Zoara  Saingy  ; Atsimondrano  izy  mianaka

1.4.1 Ny Nahatonga ny « Hobonobogna » :
                Avy amin-dRamanandrovola no nahatonga ny taranany ho « Hobonobogna »
Ny antony :  « Raha manana na tsy manana dia hobonobogna ao » io no fiovana fahaefatra , talohan’ny Zafindratrimo sy Zanakimpanalina izay nialohavan’ny Zafirambo.
Ireo avy ireo tanàna sy vohitra misy ny taranak’izy sivy mianadahy :
Ny ao Ambositra : Ambohinaondry ; Nord Caserne; Antanandalana ; Ankilahila ; Ambalamahasoa; Ankona; Taitafika ; Isamina ; Ambodihady ; Ankorombe ;
Andriamamahana ; saha ; Ampivarotanomby ; Ambohimiadana ; Talaky Ambohibaty ; Ankatsaka ; Ankazotokana ; Manolotrony ; Atsimon’Ampila ;
Ambala ; Ampananjanana ; Atsimondrano ; Ambanivolafotsy ; Ambohijaza ; Dista ; Sud Caserne ; Sahamamy ; Ankazotany Ambatomenaloha ; Amongy ;
Andraimbe ;
Ny ao Ambatofinandrahana  
Ny ao Fandriana  
Ny ao  Fianarantsoa
Ny ao Toliary  
Ny ao Antsiranana  
666 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121