AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 663
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 14
1.4.3 Ny « Amontana telo  »  :
      Ny  Amontana  telo dia , ny iray aman-drenin’izy telo mianaka ireto :
Avy amin’Atoa Razafimahaleo Herizo , ao Ambatomanana ny fasany, izy ireo dia taranaky  ny  Zanaposa .
Avy amin’Atoa Andrianarivo Tantely, efa praiminisitra teo aloha ; ny reniny ; dia taranaky ny zazafotsy , izay efa noresahana tery aloha .
Avy amin’ny Pelanoro ; Rainimainty , izy dia taranaky Ramanandrovola
Araka izany dia izy telo ireo no nandrafitra ny Amontana telo .
Antony :
Ingahy Herizoa Razafimahaleo ; ny rainy  avy ao Tsarasaotra ; ny reniny avy any Volazato. Izany hoe : zanak’anadahin’i Bebe Rasoanantoandro , renin’ny Dada. Sady nidi-droa izy avy amin’ny Bebe sy Dadabe Randrianarivo Emmanuel , izay niteraka an’i Dada.
Tantely Andrianarivo  ihany koa, dia  toraka  izany ; mandray roa ihany koa ; sady avy eny am-pivarotan’omby , etsy Alakamisy Ambositra  ; avy amin’ny Mama no mandray avy amin’ny rafozany Bebe Rasoanatoandro ( Isoavina ) no sady mandova eny Amongy Ambositra. Eo aloha ny fifanambadian’izy ireo nifangaroharo tamin’ny taranak’Ingahy Ramanandrovola . Teo ihany koa anefa ny lova tsy mifindra ; Ao ihany koa ny antony maro samy hafa.

1.4.4 Ny atao hoe « Zanaposa » :
               Izao no nahatonga izany . Fahiny elabe teo amin’ny vanim-potoanan’ny Menalamba ; talohan’ny taona 1899. Nasiaka dia nasiaka io vondron’olona mpikomy amin’ny Frantsay io, nifangaro tao ny menalamba tia tanindrazana sy ny menalamba mpandroba. Natahotra ny olona ka nandositra ny fahavalo, ny mpanenjika anefa nikaroka an’izay mety niafenan’izy ireo, farany nahita zohy  anankiray ; ary nisy  fosa nalemy tao, noho izany dia nihevitra ireto menalamba mpandroba ireto fa « tsa misy ogna » hoy ny fitarognagna raha nitarogna ry zareo. Noho ireo fosa ireo dia avotra ny olona  ary nanao « tsitsina » na « velirano » na koa « voady » tsy hamono fosa ary nankatoavin’ireo taranaka izay hatramin’izao . Ny Fosa mantsy tamin’izany dia nasiaka tena nasiaka loza an-tany ka somary sahirana ihany raha toa ka mifanena na miray toby aminy , satria mety hamono sy hihinana izy ireny . Fady amin’ny Zanaposa ihany koa ny miteny hoe « hano ny vary » izay tsy nahazoako tantara na dia lovan-tsofina fotsiny aza ; fa teny mba reko teny ho eny. Ny fahamarinany ihany koa ,dia toraka izany; ka aza tsiny amintsika mpikaroka .
Ireto  kosa  ny  toerana ahitana  azy  ireo : Ambohiponana ; Kelikapona ; Andidy
Ambonivola ; Ambalavato ; Miadana ; Tsarasaotra .
663 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012