AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 665
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 13
Ny ao Antananarivo : Ivato; Ivandry ; Ambatomaro ; Antohamadinika; Tsarahonenana ; Andraisoro ; 67 Ha ;  Bevalala  
Ny ao Antsirabe  
Ny ao Mahajanga
Ny ao Toamasina ; Moramanga
Ny any ampitan-dranomasina : Frantsa ; Amerika , ary miparitaka maneran’izao tontolo izao ny taranaka .

1.4.2 Ny  Nahatonga  ny  « Zazafotsy  »   :
                       Fahizay, rehefa tonga  ny fotoana ny asaramanitra ho an’ny andriana dia naniraka ny olony sy ny mpanompony, haka omby iray. Nampitandremany anefa , fa tsy azo vonoina na alaina ny omby « Valanary » izay filohan’ireo ombin’andriana ireo .
              Niaraka tamin’ny olona teny anefa ny zanak’andriana , ary izy no nahatafiditra  sy  namono ny omby, natao ary ny famotorana, ka ny zanak’andriana no tratra, nandrahoina ny omby, rehefa masaka ny hena , dia natsofoka tao amin’ny vilany be menaka mahamay ny tanany, nijafajafa sy nikiakiaka nitomany ny zanak’andriana ary niova endrika ho fotsibe teo ny tanany. Nanomboka teo dia  fady azy ireo ny omby « Valanary » noho ny ozona natao tsy hiompiana ary tsy ihinanana azy. Toy ny bory tandroka, vanda mena, rango tratra, ireo taranaky Ralango , hoy Rakotorahalahy  Joseph , nitantara tamiko , no fady izany . Ny omby « Valanary » dia misy pentina fotsy ny tratrany.
                Misy amin’ity tantara iray ity koa anefa nambaran’i dada tamiko : Tsy naharitra ny fandroatran’ny sakafo ity zanak’andriana, ka raha nahita izany dia nikoropaka nibata ny vilany feno arina, izay fady teo amin’ny andriana ny mikasika azy. Gaga ny rainy nahita ny fahasahian-janany , fa ny tompoina indray no manao ny asan’ny mpanompo. Teo dia naetry ho « zazafotsy » izy sy ny taranany ; noho izy tsy nahandry ny mpanompony hibata ny vilany.
              Ny mpitantara hafa eo anivon’ny fianakaviana indray , dia naneho fa ronono nandroatra  io  tao anaty vilany io, ny rainy anefa aty ambany rihana nifanandrify amin’ilay  fatana  nisy  ny  ronono ; angamba  noho  ny tahotra handoro an - drainy , no nangalany fanapahan-kevitra sahisahy ka tsy niandrasany ny mpanompony intsony hibata ilay vilany .
Ireto avy ireo zazafotsy ireo, ny taranany dia ao « Andraimbe »
Nahazo ireto  tanàna ireto : Sahamamy ; Tsimitono ; Fiakarana ; Sarigaoka , ary
Ampemby
               Na dia teo aza ny fahasamihafan’ny tantara ; dia iray ihany ny fahamarinanay dia samy. Maneho ny maha zazafotsy azy avokoa  satria  resaka sakafo  no nahatonga azy.
665 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0194