AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 661
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 16
Andrianarivo Tantely Ialy Nofy Meva Miangoty : zanak’Andrianarivo Raphael Fanomezantsoa , vavimatoa, zafikelin-dRavelontsalama Andrianarivo Guy Richard, zafiafin - dRandrianarivo Emmanuel zafindohaliky Ralaivao Emmanuel ; zafikitronkelin - dRavelona, zafipaladian - dRafaralahy Emmanuel, taranaky Ramanandrovola faha fito .

1.5  Ny  taranaky Ramanandrovola :  Sivy mianadahy no naterany :
Ralango
Raiberamanjaka
Raonisendry
Ravolazandrasa
Rainitsia
Ratsandramanamparivo
Raonisa = Nipoitra avy taminy ny renin’ny mpanoratra
Ratsaramanana
Rafaralahy Emmanuel = Nipoitra avy taminy ny rain’ny mpanoratra
                   Indro ary tanisaiko ny taranak’izy 9 mianadahy ary ialana tsiny ho an’ireo  tsy voalaza taty amiko.
*Ralango : Mirahalahy ny zanany dia : Raonivelo , niteraka an-dRatsarazafy sy Renikobo. Renikibo kosa : niteraka an-dRasalamavelo ; Rasalamavelo kosa nanana an-dRazandrimbelo mirahalahy avy. Ao Ambohinaondry , no tanàna nofidian’ireo taranaky Ralango ary ao izy no milevina .
*Raiberampanjaka : dimy no naterany dia : Ratsohanina : izay niteraka an-dRenindratsiavahana ao Antanandalana Ambositra . Rainiketaka kosa dimy ny naterany dia : Rapetera, Ravao, Ravelotalata, Ranama, Ramarojaona ; izy ireo kosa dia nanorom-ponenana ao Ankilahila . Rafaralahy Vasiana ; roa ny zanany dia : Ravelonoro ao Ambalamahasoa sy Rasoandrainy . Vehivavy , iray  tsy fantatra anarana  ; fito ny naterany saingy dimy ihany no fantatra dia : Randrianjafy, Rambita, Rakalavonorona, Razandripiringa, Ratsandramanana ao Ankona , ny taranany ; dia Razery ihany no fantatra . Renikalamena , dia tsy fantatra mihitsy ny taranany
*Raonisendry : valo ny naterany dia : Raombilahifotsiloha ; niteraka roa dia : Razaka sy Ravolazafy. Razaka niteraka an-dRavelo ao taitafika ; Ravolazafy kosa niteraka an-dRamanana mianadahy avy ao Isanina.  Taty aoriana dia nanorom-ponenana tao Ambohidahy Raombilahifotsiloha mandraka androany. Randriamaha , tokana ny azy dia : Ralaimongo izay niteraka an-dRatsiamboho , ary ny taranany ; dia Rajerinary ; ny zafiafiny Bernard kosa dia irakiraky ny vazaha chef de caton tao Ambodihady izay fonenan’izy ireo. Rainosoanamboa ; niteraka an-dRasoanamboa ; Rasoanamboa niteraka an-dRambiasa ao Ambodihady sy Ratsimba ao Ankorombe.
661 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111