AMBOSITRA TOMPON'ANARAN-DRAY SY NY TARANAKY RAMANANDROVOLA (Ny Andri-Fara)

Mpanoratra Ny Andri-Fara
Nampiditra SANAKERIB
Nitsidika 656
Mpanoratra Ny Andri-Fara
fanazavana ny mahakasika an'Ambositra sy ny taranaky Ramanandrovola na Rainilango
Pejy 18
Ra Marcelline ; tsy hay ihany koa ny taranany .
*Ratsaramanana : niteraka telo ; dia Rainkolagna , ka ny taranany Rasana , izay  niteraka an-dRa Victore . Renindratsara , niteraka an-dRatsara ; Ratsara niteraka an-dRamaria Joseph , ao Ampananjanana sy ny taranany . Anankiray , tsy fantatra ny momba azy sy ny taranany .
*Rafaralahy Emmanuel : fito ny zanany dia : Rainivosamanana , tsy fantatra ny taranany . Renilevoara , niteraka an-dRaimeva ; io Renilevoara io dia maty an’ady fony izy niantafika tany Soalala any Toliary . Rafeno , kosa niteraka sivy be izao dia Ravolazafy ; Rakalavondrona ; Ralaikamisy ; Ramana ; Ralaizafy ; Ranaby ; Ravelonadalo ; Ralaihova , ary François . Ralaizafy indray niteraka = Ravelojaona sy Ramanantsoa ao Atsimondrano ny taranany  . Ranaby indray kosa = Ra Pierre mpanao kiraro ao Ambanivolafotsy. Ravelonadalo, niteraka an-dRazafimahatratra ao Ambohijaza . Ravolazafy = Razafimanjafy = Tsy hay ny zanany = Dista ao Idiana . Ralaikamisy tsy mba niteraka . Ra Joseph = Ramaria sy Ravaosolo ao Ambamahasoa . Ramaria kosa niteraka Line sy anankiray tsy fantatra . Ravaosolo niteraka efatra = Solofoson any Antsiranana sy ny taranany ; anabaviny iray tsy fantatra sy ny taranany . Menja ihany koa tsy hay ny taranany ; ary ny rahavaviny iray tsy hay ny taranany . Ravelona : valo ihany koa ny naterany Ralaikamisy tsy niteraka . Ravolazafy , ka i Dista no nosafidian’ingahy Razafimamonjy taranany nonenany ; Joseph , niteraka an-dRamaria sy Ravaosolo ao Ambalamahasoa . Ralaivao Emmanuel : niteraka enina amby folo be izao. Izy dia nisafidy sy honina ao Sud Caserne Alakamisy. mbola ao ny taranany ankehitriny. Ramainty  tsy niteraka . Robinson,  niteraka an-dRamiadana Edson mirahalahy avy, ao Ambalamahasoa sy any Ambatofinandrahana. Rakoto Rafaralahy , niteraka an-dRajean sy Rasamivony ao Ambalamahasoa.Tsy hay ny momba azy sy  ny taranany …Renilemaharavo, niteraka an-dRamaharavo, Ramaharavo niteraka an-dRazafy sy Rajaonary . Rafenomanga niteraka efatra dia  Ratsara  , Ratalata tsy niteraka . Ravola ihany koa tsy mba niteraka . Delphine , niteraka an’Ignace mianadahy ao Sahamamy . Ramaria , niteraka an’i Anastasia ao Sahamamy . Rafaravavy , kosa fito no naterany : Ramavo , niteraka an’i Bozy mianadahy ao Ankona . Ravaomainty , niteraka an’i Donné sy Viky ao Ankazotany Ambatomenaloha . Ireto kosa tsy fantatra ny taranany dia : Ravana, Ralaivao Rabe, Louis, Stanislas .
                  Ireo ny zanaky  Ramanandrovola  sy  ny  zafikeliny  ary ny zafiafiny. Rehefa natambatra ka natao ny kajy tsotsotra sy ny kajy an-kandrina araka ny fiheverako izaho nanangona ny Tetiarana ; na dia maro aza ny tsy fantatra , teo ihany koa ny mety ho fifandisoan’ny  anarana  dia  tombanana  ho  400  mahery eo  ho  eo  ny  taranany , izay manerana an’izao tontolo izao mihitsy .
656 2

Hametraka hevitra

Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139