Ilay mpanjaka nitady mpandimby (Dadan'i Aina)

Mpanoratra: Dadan'i Aina
Nampiditra: hery
Nitsidika : 1326
Angano iray mikasika fitsinjovana vahoaka madinika
Indray andro hono tamin'ny fanjakàna iray dia nisy mpanjaka izay tsy dia nifanerasera loatra tamin'ny vahoakany. Naharitra teo amin'ny fitondrana nefa izy na izany aza. Saingy tsy mba nanan-janaka izy ireo fa dia honjohonjon'izy mivady irery. Nony efa lehibebe ihany ity mpanjaka dia niresaka tamin'ny vadiny mikasika izay handrimby azy.

- Inona ramatoa no hatao fa isika ity miha lehibe nefa ny mpandimby tsy misy. Iza no hitantana ny fanjakana? Hoy izy tamin'ny mpanjakavavy vadiny.

Tsy nahita vahaolana afatsy ny handeha hitady mpandimby any an-tanàna eo anivon'ny vahoaka anefa izy mivady. Koa nanapa-kevitra ny mpanjaka fa hidina hiaraka amin'ny miaramila vitsivitsy hijery izay tovolahy mendrika hitondra ny fitondrana.

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha