Ilay Amboarako (Jemmy ulrich Andrianin'Arison)

Nampiditra: Jemmy
Nitsidika : 2160
Nitia anao aho hatry ny ela
Nankafy anao aho hatrizay
Kanefa ianao efa manana olon-tiana
Dia ilay Amboaranao hatrizay
Ny alaheloko
Efa kivy ihany aho raha nahafantatra izany ary efa roa andro lasa izay no nitrangan'io zavatra io ary tsaroako eto sahady ny hamafin'io fitiavana io. Toa ireny poizina mahafaty ireny satria mafy tamiko izany voaloham-pitiavan izany. Tena mampieritreritra loatra izzny fitiavana izany indraindray. Tena manomboka mihasarotra amiko ny manao " mody tia koa lefaka" satria io faharetana io ihany no mampijaly ny foko. Raha tsy mety afaka ato am-poko iahany izy dia raisiko toy ny anambaviko izy satria raha mbola hankarary ny foko izy dia mety hitondra ahy ho any amin'ny fahafatesana ka naleoko nanao an'io. Na manjavona daholo aza izay nojereko Hatramin'Izay ka hatramin'izao dia mbola mino aho fa mbola ho fa tsy maintsy ho avy tsy ho ela ilay amboaran'ny fitiavako ka maharitra aho
Ho anareo koa na dia misaraka aza ianareo roa dia mbola ho avy ny anjaranao fa tsy vaholana mihintsy izany famonoan-tena izany koa " mahareta foana fa aza tomany"

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha