Ilay Amboarako (Jemmy ulrich Andrianin'Arison)

Nampiditra: Jemmy
Nitsidika : 2162
Nitia anao aho hatry ny ela
Nankafy anao aho hatrizay
Kanefa ianao efa manana olon-tiana
Dia ilay Amboaranao hatrizay
Mbola tia
"aleo enjehin'ny omby masika toy izay enjehin'ny eritreritra" . Izay no oham-pitenenana noraisiko indray andro izay kanefa na hanao ny fomba rehetra aza aho anio dia tsy mety intsony fa efa tara. Tsy fantatro hoe inona no mahazo ahy fa mbola tafatsiry ato am-poko ihany ilay fitiavako anao. Efa niezaka ny tsy hafantatra anao aho na hatadidy anao akory aza, kanefa mbola tsy afaka ato am-poko ihany ilay fitiavana fa vao maika aza niroborobo hatrany. Toa misy hery hafahafa mihintsy nanosika ahy ho tia anao hatrany ary na ireny toetranao ireny aza dia toa mitahiry ilay fitia ato amiko ka hany lasa mamporisika ahy vao maika ho tia anao izany ka ho tia anao hatrany
" ianao irery ihany no tiako ary mbola tsy misy toa anao raha fitia"

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha