Ny vavahadin'ny paradisa. (lonjokely)

Mpanoratra: lonjokely
Nampiditra: ikalamako
Nitsidika : 1464
Sokajy: Angano
Indray andro nisy samourai anankiray nanatona mpampianatra zen zaponey, antsoina hoe Hakuin, ary nanontany azy :

"Misy marina ve izany paradisa sy afobe izany ?"

"Fa iza moa ialahy ?", hoy ilay mpampianatra.

"Samourai aho, tompoko..."

"Ialahy ve dia mba mpiady ?", hoy ilay mpampianatra sady nivanitika nihomehy. "Mba jereo ange ity ialahy ! Iza koa ny andriana hampiasa mahantra fadiranovana toa an'ialahy."

Nisafoaka ilay samourai. Noraisiny ny sabatra teny am-balahany ary narangarangany. Nanohy ny teniny i Hakuin :

"Hay manana sabatra ise ! Dia hokapaina amin'iny ny mpampianatra ?"

Notohizany ny teniny :

"Eto no misokatra ny vavahadin'ny afobe."

Talanjona ilay samourai nanoloana ny fahatonian'i Hakuin, izay tsy nihetsika, tsy rototra, tsy taitra, tsy nampiseho fiahiana na tahotra. Naveriny tao anaty fonony ny sabatra ary niondrika niankohoka teo anatrehan'ny mpampianatra izy.

"Eto no mivoha ny vavahadin'ny paradisa...", hoy ilay mpampianatra.


( nalaina sy nadikan'i Daniel Raremby amin'ny fiteny malagasy, avy tamin'ny boky "Les contes des arts martiaux".)

Hametraka hevitra

Midira aloha vao mametraka hevitra

Hevitra mandeha